Fiteny geezy

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Fiteny gezy)
Ny Genesisy 29.11-16 amin' ny fiteny geezy tamin' ny taonjato faha-15.

Ny fiteny geezy na gezy, izay atao hoe fiteny etiôpiana tranainy na fiteny etiôpiana klasika dia fiteny hamito-semitika ao amin' ny fianakaviam-piteny semita notetenina hatramin' ny taonjato faha-4 ao amin' ny Tandrok' i Afrika ary nipoitra avy ao amin' ireo faritra ao atsimon' i Eritrea sy ao avaratr' i Etiôpia. Ny fiteny geezy dia fiteny ôfisialin' ny Fanjakan' i Aksoma avy eo an' ny Empiran' i Etiôpia. Araka ny fanadihadiana tany aloha dia renin' ny ankamaroan' ny fiteny maro izy io, nefa tsapa ankehitriny fa mitovy tantana amin' ireo fiteny ireo izay niara-nivoatra taminy izy. Soratana amin' ny abidim-baninteny geezy ny fiteny geezy. Atao hoe ግዕዝ / ge'ez io fiteny io amin' ny fiteny geezy.

Ankehitriny dia fiteny fototra ampiasaina amin' ny litorjian' ny Fiangonana ôrtôdôksa teoahedô etiôpiana sy ny an' ny Fiangonana ôrtôdôka teoahedo eritreana ny fiteny geezy, anisan' ny mampiasa azy koa ny vahoaka jiosy Beta Israely. Ao Etiôpia anefa dia ny fiteny ahmarika (izay fiteny ifaneraseran' ny mponina ao Etiôpia ankehitriny) sy any Eritrea ary ao amin' ny faritr' i Tigray any Etiôpia, ny fiteny tigrinia sy ny fiteny hafa koa dia ampiasaina amin' ny fitorian-teny.

Ny fiteny tigrinia sy ny fiteny tigre dia mety manam-pifandraisana hentitra amin' ny fiteny geezy. Misy anefa ny mpahay teny sasany izay mihevitra fa ny fiteny geezy dia tsy nipoiran' ireo fiteny etiôpiana ankehitriny fa nipoitra amin' ny sampana izay tafasaraka tany aloha kokoa tamin' ny fiteny tranainy izay tsy fantatra fa eritreretin' ny manampahaizana, ary mety azo heverina ho fiteny mitovy tantana sady mitovy fipoirana amin' ny fiteny tigrinia. Ny mpanampahaizana etiôpiana ahitana an-dry Amsalu Akilu dia manantitra ny maha maro anisa kokoa ny anarana nolovana izay tsy niova fanonona sy soratana mitovy na amin' ny fiteny geezy na amin' ny fiteny ahmarika (ary koa amin' ny fiteny tigrinia, na dia vitsy kokoa aza izany).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Fiteny hamitô-semitika:

Fiteny be mpampiasa ao Afrika:

Ireto ireo fiteny be mpampiasa ao Afrika: ny fiteny afrikansa, agny, amharika, anglisy, arabo, bambara, baole, berbera, bete, diola, fanga, fola (na fiteny peola), frantsay, haosa, iôroba, kitoba, lingala, malagasy, môre, pôrtogey, soahily, sômaly, sôninke, soso, tigrinia, vôlôfo ary zolo.

Fiteny etiôpika: