Abogida

Avy amin'i Wikipedia

Ny abogida na abugida, dia karazana fombam-panoratana ampiasaina mba hanoratra ny feon'ny fiteny iray. Izy io dia eo anelanelan'ny abidy manoratra ny vaninteny sy ny abidy manasaraka tsara ny zanapeo sy ny renifeo ho litera manokana ; ny litera ao amin'ny abogida dia renifeo iray mitambatra amin'ny zanapeo iray miaraka. Ny vaninteny hafa na ny fanalana ny zanapeo miaraka dia soratana amin'ny alàlan'ny fanampiana diakritika iray.

Teôria[hanova | hanova ny fango]

Afaka aseho amin'ny alàlana abidy iray noforonina ny fomba fandehanan'ny abogida : omena grafema iray notsongaina avy amina abogida iray soratana hoe க​.

Io grafema io raha avela amin'izao dia tononona hoe /k/ arahan'ny zanapeo miaraka aminy (/a/ izy eto). Raha te-hanoratra ny feo /ka/, dia fotsiny no soratana. Raha te-hanoratra /ki/, dia mila ampiana diakritika iray grafema க ; dia manome க + ி.

Raha te-hanoratra hoe irery, dia mila ampiana diakritika manondro ny tsi-fisiana zanapeo miaraka ( soratana amin'ny ்), manome க + ். Io soratra io dia lazaina hoe virama (avy amin'ny teny hindi) na mpanjavona.

Raha te-hanoratra ny zanapeo /i/ tsy misy renifeo, dia mila soratra hafa indray /i/ mizaka tena (soratana இ).

Raha averina :

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]