Teny nibeazana
Aller à la navigation
Aller à la recherche
Ny teny nibeazana, izay lazaina ihany koa fa teny ibeazana, fitenin-dreny na tenin-dreny, dia ny fiteny voalohany ianaran'ny ankizy. Amin'ny tranga sasany, rehefa samihafa ny fitenin'ireo raiamandreny izay manabe ilay zaza, dia afaka mamehy ireo teny ireo miaraka ilay zaza. Ary azo lazaina fa teny nibeazany daholo ireo teny roa ireo.