Fiteny kositika

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Sarintany maneho ny fitsinjaràn' ny fiteny hamitô-semitika: amin' ny loko manga marevaka ny fiteny kositika.

Ny fiteny kositika dia fianakaviam-piteny ao amin' ny Tandrok' i Afrika (Jibotỳ, Etiopia, Somalia, Eritrea) sy ao amin' ny Lohasahan' i Nily ary manamorona ny morontsiraky ny Ranomasina Mena (hatrany Sodàna ka hatrany amin' ny faritra atsimo ao Ejipta). Avondrona ho sampan' ny fianakaviam-piteny hamitô-semitika (na afrô-aziatika na afraziana) ireo fiteny ireo, izay miely ao amin' ny antsasany avaratr' i Afrika hatrany Atsinanana Akaiky (ny fiaviana sy ny fitodiky ny fielezan' ireo fiteny ireo dia tsy fantatra mazava, mety avy any Azia ka nankany Afrika na ny mifamadika amin' izany). Tamin' ny taona 1858 no nanomezana io anarana hoe kositika io.

Ny teny hoe "kositika" dia avy amin' ny anarana hoe Kosy izay hita ao amin' ny Bokin' ny Genesisy ao amin' ny Baiboly, izay anaran' ny zanak' i Hama (na Kama) zafikelin' i Noa (na Nôe), sady niavian' ny anaran' ny vahoaka atao hoe Kosita ao amin' ny Fanjakan' i Kosy tao atsimon' i Ejipta sy tao Etiôpia.

Ny fiteny kositika maro mpiteny indrindra dia ny fiteny ôrômô tenenina indrindra ao Etiôpia sady misy mpiteny miisa any amin' ny 35 tapitrisa, manaraka azy ny fiteny somalỳ izay misy mpiteny miisa 20 tapitrisa (isan' izany ny mponina any am-pielezana), ny fiteny afara izay misy mpiteny miisa 5 tapitrisa (Etiôpia, Jibotỳ, Eritrea) ary ny fiteny sidama izay misy mpiteny any amin' ny 3 tapitrisa.

Misy fiteny kositika iray, ny fiteny beja izay tenenin' ny olona miisa 1,2 tapitrisa. Ny fiteny somalỳ, izay fiteny ôfisialy manampy ny fiteny arabo, no hany fiteny kositika ampiasaina ôfisialy ao amin' ny firenena iray. Isan' ireo fitenim-pirenena ao Jibotỳ miaraka amin' ny fiteny afara ny fiteny so malỳ.

Fitsinjaran' ny fiteny kositika[hanova | hanova ny fango]

Misokajy roa ireo fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny kositika, dia ireo fiteny kositika atsinanana sy ny fiteny kositika avaratra.

Ireo fiteny kositika atsinanana[hanova | hanova ny fango]

Ireto avy ireo fiteny kositika atsinanana: fiteny somalỳ (mpiteny: 20 tapitrisa), fiteny afara (mpiteny: 5 tapitrisa), fiteny sahô, fiteny borjy, fiteny sidamo (mpiteny 3 tapitrisa), fiteny darasa, fiteny hadia (mpiteny: 1 tapitrisa), fiteny alaba, fiteny kambata (mpiteny: 1 tapitrisa), fiteny rendila, fiteny bony, fiteny baiso, fiteny daseneka, fiteny arbora, fiteny elmôlô, fiteny ôrômô (mpiteny: 30 tapitrisa), fiteny borana, fiteny oaata, fiteny ôrma, fiteny konso-gidola, fiteny dolay (fiteny gaoada, fiteny golango, fiteny dobasa, fiteny harsô, fiteny tsamay), fiteny iaako

Ireo fiteny kositika avaratra[hanova | hanova ny fango]

Ireto kosa ny fiteny kositika avaratra: fiteny irako, fiteny gôrôoa, fiteny alagoa, fiteny dahalô, fiteny boronga.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Sampam-piteny ao amin' ny finakaviam-piteny hamito-semitika

Samihafa