Beijing

Avy amin'i Wikipedia
Hanketo: Fikarohana, karohy
Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony  amin'ny resaka Sina ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Beijing
Beijing montage.png
Velarantany NC
Isam-ponina 11 940 000 mponina
Tanànan-dehibe NC
Ben'ny tanàna Guo Jinlong
Firenena Sina
Faritany Beijing

Beijing ((zh)) dia tanàna renivohitr'i Sina. Ny dikan'ny anarany amin'ny fiteny sinoa dia renivohitrin'ny avaratra, i Beijing dia anisan'ny toerana ara-kolontsaina-n'i Repoblika entim-bahoakan'i Sina. Amin'ny lafin'ny hangezan-tananan-dehibe, ny Beijing dia amin'ny lahatra faharoa (any sina), eo aorian'i Shanghai (mikaonty olona 17 tapitrisa). Any Beijing daholo ny 75%-n'ny olona miaina ao amin'ny municipalité-n'i Beijingshi (北京市). Ny fivelaran'ny municipalité-n'ny Beijingshi dia mbola ngeza non'ny tanànan'i Beijing (16 800 km2 ny fivelaran'ny Beijingshi). Fiteny mandarina ny fiteny any Beijing.

Any avaratr'i Sina ny fihisin'ny Beijing, 110 km ny ranomasin'i Bohai, ary any amin'ny tampony avaratran'ny Tany lemaka avaratra, any atsimon'ny Rindrimbe. Na dia efa antitra aza ny tanànan'i Beijing, potika tamin'ny 1215 izy, renivohitr'i Sina mandritry ny taonjato maromaro Beijing amin'ny taona 1264. Any Beijing no misy ny Cité Interdite sy ny Temple du Ciel. Tany Beijing ny Kilalao Olimpika tamin'ny taona 2008 (8-24 Aogositra).

Amin'ny lafin'ny toe-karena, amin'ny lahatra fahatelon'ny tanàna any Sina Beijing eo aorian'ny Hong Kong sy Shanghai. 10% isan-taona ny fitombon'ny PIB tamin'ny taona 2000. Ankehitriny, misy CBD vaovao mbola amboarina.

Anarana[hanova | hanova ny fango]

  • 北京 = Běijīng, midika « renivohitra avaratra »

Jeografia[hanova | hanova ny fango]

Ny tanànan'i Beijing, nalain'ny zanabolana Spot sary

Fisiany[hanova | hanova ny fango]

Any avaratra atsinanan'i Sina ny tanànan'i Beijing. 110 km any avaratra ny ranomasina Bohai. Ny velarana tontalin'ny tanànan'i Beijing dia misy eo amin'ny 16 800 km2 eo ho eo. Ny coordonnées géographique ny Beijing dia 39°54′20″N ; 116°23′29″E. Mitovy latitude amin'i Ankara (renivohitr'i Torkia) Beijing.

Fizaràna ara-pandraharahana[hanova | hanova ny fango]

Manan-pahefàna amina distrika 18 ny municipalité-n'i Beijing.

Distrika valo ao amin'ny tanànan'i Beijing :

  • distrikan'i Dongcheng - 东城区 Dōngchéng Qū ;
  • distrikan'i Xicheng - 西城区 Xīchéng Qū ;
  • distrikan'i Chongwen - 崇文区 Chóngwén Qū ;
  • distrikan'i Xuanwu - 宣武区 Xuānwǔ Qū ;
  • distrikan'i Chaoyang - 朝阳区 Cháoyáng Qū ;
  • distrikan'i Haidian - 海淀区 Hǎidiàn Qū ;
  • distrikan'i Fengtai - 丰台区 Fēngtái Qū ;
  • distrikan'i Shijingshan - 石景山区 Shíjǐngshān Qū.
  • distrikan'i Mentougou - 门头沟区 Méntóugōu Qū ;
  • distrikan'i Fangshan - 房山区 Fángshān Qūxian-n'i Fangshan talohan'ny 1986 ;
  • distrikan'i Tongzhou - 通州区 Tōngzhōu Qūxian
  • distrikan'i Shunyi - 顺义区 Shùnyì Qūxian
  • distrikan'i Changping - 昌平区 Chāngpíng Qūxian
  • distrikan'i Daxing - 大兴区 Dàxīng Qūxian
  • distrikan'i Pinggu - 平谷区 Pínggǔ Qūxian
  • distrikan'i Huairou - 怀柔区 Huáiróu Qūxian
  • xian'i Miyun - 密云县 Mìyún Xiàn ;
  • xian'i Yanqing - 延庆县 Yánqìng Xiàn ;


Toe-tany[hanova | hanova ny fango]

Tsy dia halavitra amin'ny ranomasina ny tanànan'i Beijing. Fa any atsinanana no misy an'i Beijing. Noho izany, dia mitovitovy endrika amin'ny toetr'andron'i New York ny toetr'andron'i Beijing : mangatsiaka be rehefa ririnina, ary mafàna be rehefa fahavaratra. Rehefa fahavaratra, dia mety mahatrara 41,1 °C ny hafanana, ary -18,8 °C rehefa ririnina. Ny isan'ny andro manorana any Beijing rehefa fahavaratra dia 10 andro, nefa 1 andro fotsiny ny isa ny andro manorana rehefa amin'ny volana Novambra.

-4 °C ny anelakelan'ny hatsiaka any Beijing amin'ny volana mangatsiaka indrindran ary 26 °C ny anelakelan'ny hafanana an rehefa fahavaratra. 12 °C ny anelakelan'ny hafanàna any Beijing anatin'ny herintaona. 500 hatramin'ny 700 mm ny pluviométrie any Beijing anatin'ny herintaona. Tamin'ny 2008, 80 km any andrefan'ny Beijing no misy ny bongom-pasika ny tany efitran'i Gobi[1]

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Takelaka[hanova | hanova ny fango]

Tsiahy[hanova | hanova ny fango]

  1. Abel Ségrétin « Le sprint du désert », amin'ny Libération tamin'ny 14-02-2008, vakio

Rohy ivelany[hanova | hanova ny fango]