Fiteny tiorka
Türkçe dili Fiteny tiorka | |
Isan'ny mpiteny | 77 tapitrisa |
Faritany | ![]() |
Sata | Ofisialy ao ![]() |
Ny fiteny tiorka dia fiteny tenenina ao amin’ny Repoblikan’i Torkia, Kipra, Bolgaria, Grisy ary firenena hafan’ny Empira Otomana, ary koa fiteny fampiasan’ireo mpifindra monina an-tapitrisany ao Eoropa.
Nosoratana tamin’ny alalan’ny abidy arabo ny teny tiorka nandritry ny arivo taona mahery (900-1928). Tamin’ny 1928 dia nosoloin’i Mustafa Kemal Atatürk ho abidy latina ny abidy anoratana azy. Noheverin’ny governemanta tiorka fa nilaina izany fiovana izany mba hampitomboana ny tahan’ny olona mahay manoratra sy mamaky teny, satria noheverina fa sarotra ianarana ny abidy arabo tamin’izany fotoana izany. Nitombo be tokoa ny tahan’ireo olona mahay mamaky sy manoratra taorian’ny fiovana, avy any amin’ny 20% izy dia lasa nitombo tany amin’ny 90%.