Iakoty (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Vehivavy iakoty manao fitafiana nentim-paharazana

Ny Iakoty na Yakut izay miantso ny tenany ho Sakha, dia vahoaka torkika any Siberia ao amin' ny Federasionan' i Rosia, ka ny ankamaroany dia ao amin' ny Repoblikan' i Sakha (Iakutia), iray amin' ireo faritra mangatsiaka indrindra misy mponina eto amin' izao tontolo izao, ao avaratra-atsinanana amin' i Siberia.

Fiteny[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny iakoty na fiteny saka dia ao amin' ny sampana avaratra amin' ny fiteny torkika siberiana, misy fitoviana betsaka amin' ny fiteny ampiasaina any avaratra amin' i Môngôlia tamin' ny taonjato faha-14. Misy 456 000 eo ho eo no mampiasa ity fiteny ity (fanisana rosiana tamin' ny taona 2002) indrindra ao amin' ny Repoblikan' i Yakutia izay ao amin' ny Federasionan' i Rosia. Ahitana azy ireo koa ny any amin' ny faritra toa an' i Amur sy i Magadan ary i Sakhalin, ary any amin' ny distrika mizaka tenan' i Taimyr sy i Evenki. Tamin' ny taona 2010 dia nanodidina ny 960 000 isan' ny mponina tao Yakutia ka ny 470 000 (50 %) amin' ireo dia Iakoty. Nihena io taha io nandritra ny fitondrana sôvietika noho ny fifindra-monina faobe sy ny pôlitikan' ny famindrà-monina, saingy nitombo kely avy eo. Noho ny hamaroan' ny mpiteny iakoty dia heverina ho tsy dia atahorana hanjavona ity fiteny ity raha mitaha amin' ny ankamaroan' ny fitenim-poko maro hafa ao amin' ny Federasionan' i Rosia.

Fomba fiaina[hanova | hanova ny fango]

Trano lay iorta

Tamin' ny fifindrà-monina ho any amin' ny faritanin' i Yakutia ankehitriny, ny razamben' ny Iakoty dia nitondra ny kolontsainy avy any amin' ny fatrana, avy eo dia nampifanaraka ny fahaiza-manaony ary nandray fomba amam-panao vaovao.

Iakoty mpihaza

Ny jeôgrafia sy ny toekarena dia mampizara roa lehibe ny Iakoty. Ny Iakoty Tavaratra dia mpihaza somary mpifindrafindra monina ara-tantara, mpanjono, mpiompy omby iàka ary mpiompy serfa izay saika nanjavona ankehitriny. Ny Iakoty Tatsimo, izay miompy koa, dia mikarakara soavaly sy andiam-biby ny ankamaroany. Tsy toy nyIakoty Tavaratra izy ireo, fa nahomby tamin' ny tany be ranomandry ary afaka nivelona hatramin' ny androany. Samy nonina tao anaty trano lay iorta (yurt) ireo vondrona roa ireo ary nanana fiainana somary mpifindrafindra monina ka namindrafindra ny tobiny isan-taona maraka ny ririnina sy ny fahavaratra.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]