Baskira (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Baskira ao amin' ny raiônan' i Baymak

Ny Baskira na Baskiry na Basjirta dia vahoaka torkika, monina indrindra ao Bashkiria, ao anatin' ny Federasionan' i Rosia. Ny fitenin' izy ireo no fiteny baskira, izay ao amin' ny vondrona torkika amin' ny fianakaviam-piteny altaika. Izy no vondrom-poko fahefatra ao Rosia, araka ny isan' ny olona ao aminy, aorian' ny Rosiana sy ny Okrainiana ary ny Tatara. Manodidina ny 1 673 000 ny isan' izy ireo, izay ao amin' ny Repoblikan' i Bashkiria ny ankamaroany. Ny Baskira 75 000 hafa dia mipetraka ivelan' ny tanim-pirenen' i Rosia, indrindra any amin' ireo repoblika sôvietika taloha. Mozilmana sonita ny ankamaroany. Atao hoe Башҡорттар / Başqorttar izy ireo amin' ny teny baskira, fa Башкиры / Bashkiry kosa amin' ny teny rosiana.

Tantara[hanova | hanova ny fango]

Ny mpanoratra arabo-mozilmana tamin' ny Andro Antenatenany dia nanondro ny faritra nonenan' ny Baskira any avaratry ny Ôgoza, atsinanan' ny Petsenega ary atsimon' i Ural sy ny Bolgarianan' i Volga. Manamafy i Al-Istakhrî fa 25 andro miala ny tanin' ny Bolgariana ny toerana misy ny Baskira, any amin' ny faritra be tendrombohitra sy be ala.

Araka ny filazan' i Ibn Hawqal dia tokony ho 2 000 eo ho eo izy ireo no nanompo ny Bolgariana ary nafeniny tao afovoan' ny ala ny tranony. Ao amin' ny fitantarana ny diany dia nanamafy i Ahmad ibn Fadlân fa nanaja andriamanitra roa ambin' ny folo mifandray amin' ny foko baskira roa ambin' ny folo ny Baskira: andriamanitry ny ririnina, andriamanitry ny fahavaratra, andriamanitry ny orana, andriamanitry ny rivotra, andriamanitry ny hazo, andriamanitry ny olombelona, andriamanitry ny soavaly, andriamanitry ny rano, andriamanitry ny alina, andriamanitry ny andro, andriamanitry ny fahafatesana ary andriamanitry ny tany.

Mponina[hanova | hanova ny fango]

Tombanana ho 1,35 tapitrisa ny Baskira ao Rosia tamin' ny taona 2022, ka ny 870 000 amin' ireo no mipetraka ao amin' ny Repoblikan' i Bashkortostan, ankoatr' ireo izany monina any Okraina sy any Azia Afovoany. Amin' ny fitambarany dia tombanana ho eo amin' ny 2 tapitrisa eo ho eo ny Baskira.

Kolontsaina[hanova | hanova ny fango]

Baskira manao fitafiana nentim-paharazana

Ny Baskira dia miteny baskira, fiteny torkika ao amin' ny vondrona kiptsàka. Ny ankamaroan' ny Baskira dia mahay fiteny roa: fiteny baskira sy fiteny rosiana. Mozilmana sonita, manaraka ny sekolin-dalàna hanafita (madhhab) ny ankamaroan' ny Baskira. Mpamboly sy mpiompy ary mpiompy tantely efa ela izy ireo. Nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny amin' ny fatrana ny Baskira izay mpifindrafindra monina amin' ny ampahany sady niompy andiam-biby.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]