Torkika (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Sarintanin' ny fizaràna ny fiteny torkika manerana an' i Eorazia.

Ny Vahoaka Torkika dia fitambarana vondrom-poko maro samihafa any Azia Andrefana, any Azia Afovoany, any Azia Atsinanana, ary any Azia Avaratra ary koa any amin' ny faritra sasany any Eorôpa, izay miteny ny fiteny torkika.

Araka ny porofo am-pelantanana vao haingana momba ny fiteny sy ny fototarazo ary ny arkeôlôjia dia mametraka ny fiavian' ny Vahoaka Toekika any amin' ireo vahoaka mpamboly any avaratra-atsinanan' i Sina, any amin' ny faritra Altai-Sayan, izay nilaozany ka nankanesany mankany amin’ ny faritra atsinanana amin' i Môngôlia nandritra ny taonarivo faha-7 tal. JK., izay nahatonga azy hanana fomba fiain’ ny mpiandry andiam-biby fiompy, sy any amin' ny faritra avaratra sy andrefana amin' i Môngôlia, angamba any amin' ny faritra mifandray amin' ny mpiteny oralika (na oraliana), ieniseiana, môngôlika ary indô-eorôpeana.

Tsy lasa mpifindrafindra monina mitaingin-tsoavaly izy ireo raha tsy tamin' ny faran' ny taonarivo faha-2 tal. J.K.

Nandritra ireo taonjato nanaraka dia lasa an' ny Vahoaka Torkika i Azia Afovoany noho ny onjam-pifindrà-monina nifandimby avy tany Môngôlia, izay nanomboka tamin' ny taonjato faha-2 tal. J.K. ny voalohany, izay notarihin' ny Hona. Ireto farany ireto dia tsy isalasalana fa nampihatra ny fiteny sy ny kolontsainy tamin' ny mponina tompotany indô-eorôpeana (toy ny Skitiana sy ny Sôgdiana ary ny Tôkariana), ka mamela malalaka ny fielezan' ny fiteny torkika tao Eorazia.

Ny mpanohana ny teôria vaovaon' ilay fianakaviam-piteny, dia ny petra-kevitra momba ny fiteny transeoraziana (fiteny altaîka), dia nilaza fa ny mpiteny prôtô-torkika dia mety ho avy any atsinanana kokoa any Azia Avaratra-Atsinanana, mifandray amin' ny mponina mpamboly ampembimbazaha ao Mantsoria, saingy tsy ampy ny porofo ara-tarazo hanamafisana io teôria io.

Ny vondrom-poko torkika tamin' ny Andro Antenatenany dia nampiseho karazana endrika ara-batana sy fiavian' ny fototarazo isan-karazany, amin' ny ampahany noho ny fifampikasohana maharitra teo amin' ny vahoaka manodidina toa ny Iraniana, ny Môngôlika, ny Tôkariana, ny Ieniseiana, sy ny hafa.

Vondrom-poko maro samihafa no lasa anisan' ny Vahoaka Torkika nandritra ny tantara tamin' ny alalan' ny fiovaovan' ny fiteny, ny fiovana kolontsaina, ny famaboana tany, ny fifangaroana, ny fananganan-kavana, ary ny fiovam-pinoana. Na izany aza, ny Vahoaka Torkika dia manana zavatra iombonanany, amin' ny lafin-javatra samihafa, mahakasika toetra tsy ara-piteny toy ny toetra ara-kolontsaina, ny razambe avy amin' ny fototarazo iraisana, ary ny zavatra niainana teo amin' ny tantara. Ny sasany amin' ny vondrom-poko torkika môderina malaza indrindra dia ny Altaika, ny Azerbaijany (na Azery), ny Tsovasa, ny Gagaozy, ny Kazàka, ny Kirgizy, Torkmena, ny Tiorka, ny Tovàna, ny Oigora, ny Ozbeka, ary ny Iakoty.

Fiteny[hanova | hanova ny fango]

Ny fiteny torkika dia fianakaviam-piteny ahitana fiteny miisa manodidina ny 30 mitsinjara ao amin' ny faritra mivelatra avy any Eorôpa Atsinanana ka hatrany andrefan' i Sina sy avy any Kiprôsy (na Sipra) hatrany Siberia, ka ny fiteny tiorka sy fiteny azery (na fiteny azerbaijany) ary ny fiteny ozbeka no be mpiteny indrindra amin' izany. Tombanana any amin' ny 200 000 000 any ho any ny isan' ny olona miteny azy ireo ho fiteny nibeazana, ary an-tapitrisany maro ny mampiasa azy ho fiteny faharoa. Ny fianakaviam-piteny torkika dia matetika ampifanakaikezina amin' ny fianakaviam-piteny môngôlika sy ny fianakaviam-piteny tongoza ao amin' ny fianakaviambem-piteny altaika, nefa iadian-kevitra fatratra izany famondonana izany.

Isan' ny toetran' ny fiteny torkika ny rafi-pehezanteny LFM (Lazaina - Fameno - Matoanteny), ny rindran-janapeo, ny fanakambanana tsirinteny maro (tovona) ary ny tsy fisian' ny kilasin' anarana sy kilahivavy. Ireo toetra famaritana ireo dia matetika itoviany amin' ireo fiteny môngôly sy ireo fiteny tongoza, ary amin' ny fiteny kôreana sy ny fiteny japôney ary ny fiteny ainô. Ireo fiteny tanisaina farany ireo dia heverin' ny mpahay teny sasany ho mpihavana amin' ny fiteny torkika ao amin' ny fianakaviam-piteny mahafaoka kokoa izay nomena ny anarana hoe fiteny altaika.

Indreto avy ny fiteny lehibe ao amin' io fianakaviam-piteny io miaraka amin' ny isan' ny olona miteny azy avy: