Tôkariana (vahoaka)

Avy amin'i Wikipedia

Ny Tôkariana na Agnô-Kotseana dia vahoakan' i Azia Afovoany izay nonina tany amin' ny faritra mizaka-tenan' i Xinjiang, ao amin' ny tapany andrefan' i Sina ankehitriny, hatramin' ny vanim-potoana talohan' ny tantara ka hatramin' ny arivo taona lasa izay. Hita indray ny sivilizasiônan' izy ireo nandritra ny diabe fanaovam-pikarohana arkeôlôjika tamin' ny fiandohan' ny taonjato faha-20, saingy mbola tsy tena fantatra.

Ireo diabe izany, izay notarihin' ilay Anglisy atao hoe Aurel Stein, ireo Alemàna atao hoe Albert Grünwedel sy Albert von Le Coq, ilay Frantsay atao hoe Paul Pelliot, ary koa Rosiana sy ny Japôney, dia nitarika ho amin' ny fahitana sisam-paharavana sy lava-bato izay namoaka zavatra be dia be momba ny Kotseana tamin' ny vanim-potoana bodista (tamin' ny taonarivo voalohany taor. J.K.). Ny fandinihana ireo mômia tao Tarim izay efa roa ka hatramin' ny efatra arivo taona dia tsy nanamafy ny rohy ara-pototarazo nantenaina.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]