Lalan' ny Landy

Avy amin'i Wikipedia
Lalana lehibe amin'ny Lalan' ny Landy

Ny Lalan' ny Landy (Sinoa: 絲綢之路) dia tambajotran' ny lalam-barotra eoraziana nampiasaina indrindra nanomboka tamin' ny taonjato faharoa TK ka hatramin' ny tapaky ny taonjato faha-15. Mirefy 6 400 km mahery izy io, ary nandray anjara lehibe tamin' ny fanamorana ny fifandraisana ara-toekarena, ara-kolontsaina, ara-pôlitika ary ara-pivavahana teo amin' ny Atsinanana sy ny Andrefana.