Omby

Ny omby dia karazan' ny biby mampinono ary biby fiompy izy. Biby lehibe misy tandroka roa ary mety misy trafo iray eo an-tampon-damosiny. Biby manana ny anjara toerany tokoa amin' ny asa-tany ny omby, ary ankoatra ny henany dia tsy very koa na ny hodiny na ny tandrony.
Mitana toerana lehibe ny fiompiana omby ao Madagasikara: harena ny omby sady biby entina hangataham-pitahiana (joro) ihany koa.
