Etona mampihiboka hafanana

Avy amin'i Wikipedia
Ampitomboin' ny etona mampihiboka hafanana ny vokatry ny taratry ny masoandro ety ambonin' ny tany.

Ny etona mampihiboka hafanana dia taharon' etona mitroka ny taratra ambanin' ny mena alefan' ny masoandro ety ambonin' ny tany ka mandray anjara amin' ny fihibohan' ny hafanana. Ny fitomboan' ny firihitr' izy ireo ao amin' ny atmôsferan' ny tany dia iray amin' ny antony mahatonga ny fiakaran' ny hafanan' ny toetany. Ny etona iray dia tsy afaka mandray afa-tsy taratra ambanin' ny mena avy amin' ny atôma telo isaky ny môlekiola, na avy amin' ny atôma roa raha atôma roa samy hafa ireo.

Ireto ny etona voajanahary mampihiboka hafanana:

Ireto kosa ny etona mampihiboka hafanana vokarin' ny orinasa:

  • ny hidirôklôrôfliorôkarbiora isan-karazany, toy ny HCFC-22;
  • ny klôrôfliôrôkarbiora isan-karazany (CFC);
  • ny hidirôfliôrôkarbiora (HFC);
  • ny tetrafliôriora-na karbônina (CF4);
  • ny heksaafliôriora-na solifara (SF6) sy ny pentafliôriora-na solifara trifliôrômetila (CF3-SF5);
  • ny fliôrôkarbiora sy ny perfliôrôkarbiora isan-karazany.