Hankany amin'ny vontoatiny

Biby mampinono

Avy amin'i Wikipedia
Biby mampinono 2011

Ny biby mampinono, izay atao amin' ny siansa hoe Mammalia, dia kilasin' ny biby manana hazondamosina (Vertebrata) miavaka hono izy ireo misy volony (afa-tsy ny biby mampinono sasany miaina an-dranomasina), misy sofina antenatenany ahitana taolana telo, misy neôkôrteksa ary misy fihary ronono, ka ny vavy no mamahana ny zanany amin' ny ronono. Ahitana karazana 6 495 fantatra tamin' ny taona 2018 ny biby mampinono izay, araka ny fanasokajiana ara-tsiansa, dia zaraina amin' ny filaharana 29, fianakaviana 153 ary vondron-karazana saika mahatratra 1 200. Anisan' ny biby mampinono ny olombelona, ny omby, ny saka, ny alika sy ny maro hafa.

Raha ny momba ny kladistika, izay maneho ny tantaran' ny evôlisiôna, ny biby mampinono no hany solontenan' ny Synapsida, vondrona ahitana solontena malaza ao amin' ny biby tsy mpampinono toa ny Dimetrodon. Miaraka amin' ny Sauropsida (ahitana ny Reptilia (biby mandady sy mikisaka) sy ny Aves (vorona)), izy ireo no mahaforona ny klada Amniota, ao anatin' ny renikilasy Tetrapoda.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.