Hankany amin'ny vontoatiny

Saka

Avy amin'i Wikipedia
Saka

Ny saka na piso dia biby mampinono ao amin'ny fianakaviana Felidae. Anisan'ny biby mipetraka na ompiana ao an-trano izy ary misy karazany dimampolo no fantatry ny sehatra fanaovana fanamarinana. Ny anarany ara-tsiansa dia Felis silvestris catus. Ny voalavo sy biby mikiky madinika hafa no sakafony. Afaka mamoaka feo karazany maromaro ny saka, na dia mifandray amin' ny alalan' ny endri-tarehy sy ny ferômôna aza izy. Araka ny valin' ny fikarohana natao tamin' ny 2006 sy 2007 dia zana-karazana Felis silvestris ny saka mipetraka an-tranon' olona ankehitriny, ary nivoatra izy 130 000 taona aty aoriana. Efa 8 000 - 10 000 taona lasa izany ny saka no nataon' ny olona fiompy.

Ny endriny

[hanova | hanova ny fango]

Tahaka ny biby mpihinan-kena, manana vazamasay farany sy ny vazana ny saka mba handrovitra sy hanongotra ny nofo. Ny hozatra matanjaka mifototra eo amin' ny karan-dohany no ahafahany mitelina ny sakafo avy hatrany. Miampy an 'izany koa ny tonon-taolana mafy tsy afahany mitsako mivilana (tsy malefaka ny valanoranony). Taolana daholo ny taolana hiôida, tsy afahan' ny saka manerona ilay taolana hiôida.

Eo amin' ny kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Oha-pitenenana

[hanova | hanova ny fango]
  • Zana-tsaka 1volana
    "Mivarotra saka be loha": manao laza masaka, mampitombo resaka, mandrebireby...
  • "Voalavo sasatry ny miaina ka saka matory no alaim-bolombava": mila ady, mitady loza ho an'ny tena...
  • "Saka dia bory rambo": "teny ratsy" tsy dia masiaka loatra entina maneho fahasorenana.
  • "Saka manatody": zavatra tsy misy ary tsy hisy

Ohabolana

[hanova | hanova ny fango]
  • Aza manao toy ny saka manafin-koho
  • Ny kary no manao ny ataony ka ny saka no voatapa-drambo
  • Aza manao toa ny voalavo sasatry ny miaina ka saka matory no alàm-bolom-bava
  • Tsy matoky saka aho fa trondro no laoka
  • Ny voalavo no tsy mihetsika, ny saka no mbola mihiratra
  • Aza manao hata-dava ohatra ny saka
  • Kabarin-tsaka: vao miteny dia omeo.
  • Ratsy vintana hoatry ny saka, be vohoka vao mamosavy.
  • Toy ny sikidin-tsaka: ny fo iray ihany, fa ny loha samy manana ny azy.
  • Tsy misy mateza milevina ohatra ny voalavo, fa raha mitranga lanin' ny saka.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]