Aller au contenu

Kary

Avy amin'i Wikipedia

Ny kary dia biby mampinono, iray tarika amin' ny saka, sady sakadia. Ny anarany ara-tsiansa dia Felis lybica ocreata. Lehibe kokoa noho ny saka fiompy ny kary (hatramin' ny 5 kg, nefa ny saka tsotra dia milanja 2 kg eo) sadylava tongotra. Ny ala eto amin' ny Nosy dia ahitana azy ireo, indrindra fa ala maina any amin' ny faritra andrefana. Nandositra ny sambon’ ny Arabo mpivarotra izy ireo, arivo taona lasa izay, ary nonina eto Madagasikara.

Mitovitovy ihany koa amin' ny sakadia afrikana hita any any Afrika Atsinanana sy Afrika Atsimo izy io. Taranaky ny saka avy any amin’ ny faritra manamorona ny Ranomasin' i Arabia ny kary. Tsy avy amin' ny sakadia avy atsy Afrika izy ireo fa mifandray amin' ny saka fiompy.

Eo amin' ny kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Sokajina ho biby ratsy ny kary eo amin' ny fiarahamonina malagasy noho izy biby heverina ho naman' ny mpamosavy izay entiny mivoaka alina miaraka amin' ny vorondolo. Entina hanompana olona, na koa sangim-piteny eo amin' ny olona mpifankafantatra tsara ny hoe "Ilay karilahy ity". Azo tarafina amin' ny ohabolana sy ohapitenenana miresaka momba ny kary izay fanasokajiana ratsy azy izay.

Ohabolana

[hanova | hanova ny fango]

Oha-pitenenana

[hanova | hanova ny fango]
  • "Misafelika ny kary": fanondroan' ny Ntaolo ny fotoana efa alina
  • Alao izay ho anao: be maso anaty vero sa kely maso anaty vato ?

Ny be maso anaty vero dia ny omby eto ary ny kary (na ny saka indraindray) no lazana fa kely maso.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Rohy ivelany

[hanova | hanova ny fango]