Ntaolo

Avy amin'i Wikipedia

Ny Ntaolo dia ireo razam-be tany aloha. Mitory fanajana sy fankatoavana ny fahendreny ihany koa ny fampiasana ny teny hoe Ntaolo. Araka izany dia manana ny hajany teo amin' ny fiaraha-monina malagasy tokoa izany hoe Ntaolo izany. Ny fototeny dia ny hoe aolo izay midika hoe "aloha", nandrafetana ihany koa ny teny hoe anoloana. Ny hoe ntaolo dia entina ilazana ireo nialoha lalana (razambe). Raha ara-bakiteny, ny mifanohitra aminy dia ny hoe (n)tafara izay entina milaza ireo avy sy ho avy aoriantsika (taranaka, fara sy dimby). Ny Tandroy no tena mahay manonona azy amin' ny fomba mampivoitra ilay fototeny.

Ny Malagasy niaina talohan’ ny vanim-potoana nisian' ny soratra no antsoina hoe Ntaolo. Lovantsofina no fomba niampitampitan’ ny tantara tamin’ ny taranaka mifandimby tamin’ izany vanim-potoana izany.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]