Hankany amin'ny vontoatiny

Osy

Avy amin'i Wikipedia
Osivavy ompiana ao Mouscron any Belzika.

Ny osy dia karazam-biby misy nono, mihinana ahitra sady mandinika, iray fianakaviana amin' ny omby izy (Bovidae). Capra hircus na Capra aegagrus hircus ny anarany ara-tsiansa. Raha ompiana ny osy amin' ny ankapobeny, dia tsy vitsy ny osidia toy ny hita any Kaokazy, Iràna, Iràka ary Afganistàna. Efa tany alohan' ny taonarivo faha-8 tal. J.K. no nanombohan' ny olona niompy osy. Ompiana ny osy mba hahazoana ny rononony, ny hodiny, ny volony ary ny henany. Mirefy eo amin' ny 60 sm hatramin' ny 1 m ny osy, arakaraka ny karazany. Misy somotra na ny osilahy na ny osivavy. Afaka miaina amin' ny faritra misy toetany maina sy be tendrombohitra ny osy.

Kolontsaina

[hanova | hanova ny fango]

Ohabolana

[hanova | hanova ny fango]
  • Aza manao toy ny osy; mihambo tena, fa izy ihany.
  • Be famangitra toa rambon' osy ka ny lanitra tsy hianjera no tohanana
  • Mitonanaka foana toa an-dRafotsibe voadakan' osy.
  • Mivadika imaso toa tandrok' osy.
  • Ny osy, na mitsangan-tandroka ho omby aza, na mibarareoka ho ondry aza, na maniry somotra ho olona aza, na midingin-drambo ho alika aza, na mitsangani-bovona ho lambo aza, tsy miala, fa osy ihany.
  • Ny voliko lanin' ny osy leoko ihany, hoy Rafotsibe, fa ny fidingin' ny rambony no tsy zakako.
  • Osivavy maniry somotra : ny lova tamin-dray tsy avela, ny hetra tamin-dreny tsy afoy.
  • Osivavy naniry volombava : samy tsy ariana ny fomban-dray sy reny.
  • Salaka namatorana osy, ny osy lasa, ny salaka tapaka.
  • Sitry mahay vato, osy mahay harana.
  • Sokina ve tsy hahay vato ary osy tsy hahay harana?

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]