Aller au contenu

Soavaly

Avy amin'i Wikipedia
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Soavaly sy zanaka

Ny soavaly dia biby mampinono sady biby fiompy, tokan-drantsan-tongotra, misy kitro. Anisan' ny fianakavian' ny Equidae izy io ary iray amin' ny karazana Equus ferus roa mbola misy. Ny soavaly dia nivoatra nandritra ny 45 ka hatramin' ny 55 tapitrisa taona lasa izay avy amin' ny zavaboary kely misy rantsana maromaro, akaikin' ny Eohippus, ka lasa biby lehibe tokan-drantsan-tongotra amin'izao fotoana izao. Nanomboka niompy soavaly ny olona tamin' ny taona 4000 tal. JK ary heverina fa niely patrana tamin' ny taona 3000 tal. J.K. ny fiompiana izany. Ny soavaly ao amin' ny zana-karazana caballus dia biby fiompy, na dia misy soavaly fiompy aza miaina any anaty ala sy any an-tsaha toy ny soavaly masiaka. Tsy soavalidia marina ireny manao andiany ireny, izay soavaly tsy mbola nofolahina hompina mihitsy.

Soavaly dia ampiasaina ihany koa ny fanatanjahan-tena.

Ny soavaly dia zatra mihazakazaka ka izany dia ahafahany mandositra haingana ny biby mpiremby. Mifandraika amin' io filana mandositra ny biby mpiremby any an' ala io dia toetra tsy mahazatra: ny soavaly dia afaka matory mitsangana na mandry, ary ny soavaly tanora kokoa dia maharitra matory mihoatra noho ny lehibe. Ny soavaly vavy dia mitondra vohoka ny zanany mandritra ny 11 volana eo ho eo ary ny soavaly kely dia afaka mijoro sy mihazakazaka fotoana fohy aorian’ ny nahaterahany. Ny ankamaroan' ny soavaly fiompy dia manomboka folahina hitaingenana na hitarika kalesy eo anelanelan' ny roa sy efatra taona. Mahatratra ny fivelaran' ny fahalehibeazana feno izy ireo amin' ny fahadimy taonany, ary eo anelanelan' ny 25 sy 30 taona eo ho eo ny androm-piainany. Misy karazana soavaly maherin' ny 300 eran-tany ankehitriny, novolavolaina ho an' ny fampiasana maro samihafa.

Ny soavaly sy ny olombelona dia mifanampy amin' ny fifaninanana ara-panatanjahantena isan-karazany sy ny fialam-boly tsy misy fifaninanana ary koa amin' ny asa toy ny asan' ny pôlisy, ny fambolena, ny fialamboly ary ny fitsaboana. Taloha ny soavaly dia nampiasaina tamin' ny ady, izay namoronana karazana teknika fitaingenana sy fitondrana, fampiasana karazana fitaovana sy fomba fanaraha-maso. Maro ny vokatra azo avy amin' ny soavaly, ka anisan' izany ny hena, ny ronono, ny hoditra, ny volo, ny taolana, ary ny fanafody alaina avy amin' ny amanin' ny sovaly bevohoka. Manome sakafo sy rano ary fialofana ho an' ny soavaly fiompy ny olombelona, ​​ary koa ny fandalinan' ny manam-pahaizana manokana toy ny veterinera sy ny mpikarakara kitrion-tsoavaly.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]