Aller au contenu

Ronono

Avy amin'i Wikipedia
Mpiompy omby mitery ronono

Ny ronono dia sakafo ranoka miloko fotsy vokarin' ny biby mampinono vavy. Ny ronono dia vokarin' ny fihary ao anatin' ny nono.

Ronono

Ny ronono dia ranoka fotsy, ny zavatra misy ao anatiny dia mety samihafa kely arakaraky ny karazana biby mampinono.

Ny rononon' omby dia manana tahan-danja 1,032. Ny rano ao aminy dia 87 isan-jato. Ny sisan' izay dia tavy (3,5-4,5 %) ary zavatra hafa toy ny gliokôzy, ny lipida, ny prôtida ary ny otrikanina, miaraka amina singa mineraly toy ny kalsiôma, pôtasiôma, manganeza, kilôro...

Ny pH dia somary marikivy (6,4 hatramin' ny 6,8 ho an' ny rononon' omby) mahery kelin' ny 7 ny pH an' ny rononon' olombelona (7,0-7,5). Mihamarikivy ny ronono rehefa mijanona elaela, satria lasa mivadika ho asidra laktika ny laktôzy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]