Aller au contenu

Tain' omby

Avy amin'i Wikipedia
Tain' omby

Ny tain' omby dia tain' ny omby sy ny biby mandinika toa azy. Rafitra tontolo iainana kely ao amin' ny Rafitra tontolo iainana an-tsahalava (sahalava, kijana), io tay izay mety hitsiranoka be na kely io (izay manavaka azy amin' ny tain' omby maina) dia sakafo ho an' ny karazana zavamananaina mpihinana tay. Manodina ny singa biôsimika sy simika izay hitany ao anatin' ny tain' omby ireo zavamananaina ireo, amin' ny alalan' ny famadihana izany ho mineraly na amin' ny fomba hafa, mba hamerenana izany indray amin' ny ambaratonga samihafa ao amin' ny rojon-tsakafon' ny mpihinana ao amin' ny filaharana mifanarakaraka.

Ny hoavin' ny tain' omby dia mifamatotra amin' ny toetran' ny biby mamokatra azy (biby dia, biby ompiana, sns.), sy amin' ny toetran' ny zavamananaina mpanodina sy mpanapotika ao amin' ny rafitra tontolo iainana na rafitra tontolo iainan' ny fambolena sy fiompiana. Misy fianakaviana 70 eo ho eo ny voangory mpihinan-tay any Eorôpa Avaratra, izay misy karazany maro isam-pianakaviana. Antsoina koa hoe voangorin-tain' omby ny sasany amin' izy ireo raha jerena ny loharanon-tsakafony. Voangorin-tain' omby koa ilay voangory masin' ny Farao egiptiana.

Na aiza na aiza no namokatra azy, dia anisan' ny hita amin' ny fiainana andavanandro ny tain' omby, indrindra noho ny fampiasana azy aorian' ny fanamainana ho azo atao fandrehitra ahazoana fanafanana, na ny fampiasana azy amin' ny fanorenan-trano, amin' ny ny fambolena sy amin' ny fikarakarana zaridaina, ary koa noho ny fampiasana azy amin' ny fitsaboana, amin' ny mazia, sns. Any amin' ny faritra sasany eto amin' izao tontolo izao dia mbola ampiasaina ho akora amin' ny fanamboarana tôrsy na biriky tany ny tain' omby.