Aller au contenu

Ruminantia

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Biby mandinika)
Ruminantia

Ny biby mandinika na Ruminantia, dia zana-pilaharan' ny biby mampinono Cetartiodactyla. Izy ireo taloha no namorona ny kilasin' ny Solenodon, niaraka amin' ny Tylopoda (rameva, lamà, sns.). Izy ireo dia mpihinana ahitra sady manana vavony miefitrefitra, ny fandevonan-kaniny alohan' ny vavony dia vita tanteraka na amin' ny ampahany amin' ny alalan' ny fitsakoany ny sakafony indray aty aorian' ny fitelemany azy. Mampiavaka azy ireo koa ny rantsam-batany izay manana rantsany roa.

Ahitana karazana mifanaraka amin' ny toetany rehetra sy amin' ny toeram-piainana (biôtôpy) maro samihafa ny biby mandinika. Ny tena fantatra dia ny omby, ny ondry, ny osy, ny serfa, ny jirafa ary ny antilôpa.

Ny "fandinihana" dia toetra mampiavaka ny Ruminantia izay tsy inona fa ny fiverenan' ny sakafo avy ao amin' ny vahindrorohany (frantsay: rumen) mankany am-bava indray mba hotsakoina sy hofenoina rora. Misy ihany anefa ny biby hafa, atao hoe "mandinika", izay tsy anisan' ny Ruminantia, toy ny Tylopoda (zana-pilaharana misy ny rameva) na ny Opisthocomus hoazin (karazam-borona) ary koa ny Notoungulata tamkn' ny Vanim-potoana Fahatelo teo amin' ny Tantaran' ny Tany.