Fandrehitra

Avy amin'i Wikipedia

Ny fandrehitra dia akora simika izay, raha ampiarahina amin' ny mpandrehitra (toy ny ôksizenina) sy amin' ny angovo, dia levonin' ny fihoto ara-tsimia izay miteraka hafanana: io no atao hoe fandoroana. Anisan' ny atao hoe fandrehitra ny solika fampandehanana môtera. Raha itarina ny hevitr' io teny hoe fandrehitra io, dia azo atao ny miresaka momba ny zavamananaina fandrehitra "tsy fôsily", ny fandrehitra nokleary ampiasaina hamokarana angovo amin' ny alalan' ny fihoto nokleary, na dia tsy fihoto mandoro aza izany.

Fanasokajiana[hanova | hanova ny fango]

Ny fandrehitra dia azo sokajiana ho fandrehitra mivaingana, fandrehitra ranoka, fandrehitra etona. Ny toetra tsirairay dia mitaky karazana fitahirizana sy fitaterana manokana sy fepetra fitandremana momba ny afo sy ny fahasalamana mifandraika amin' izany; mila karazana fitaovana fanafanana; mitaky fenitra sy lalàna ary fifanarahana ara-barotra manokana. Ny fitehirizana sy ny fikirakirana ny etona sy ny ranoka fandrehitra dia mila fepetra fisorohana ampiharina hiarovana amin' ny mety hisian' ny afo sy ny fipoahana. Ny loza mety hitranga hafa dia mifandray amin' ny poizina avoakan' ilay fandrehitra.

Ny fandrehitra mivaingana dia mety ho avy amin' ny fôsily (arintany sns) na avy amin' ny zavamananaina tsy fôsily (hazo, arina, sns). Ny fandrehitra ranoka dia ahitana ny vokatra avy amin' ny solitany (lasantsy, gazoala, solitany fandrehitra, alikaola, sns). Ny fandrehitra etona na etona fandrehitra dia ahitana indrindra ny etona voajanahary.