Aller au contenu

Omby misy trafo

Avy amin'i Wikipedia
Omby misy trafony

Ny omby tsy misy trafo dia biby fiompy, ao amin' ny fianakaviana Bovidae, avy amin' ny zana-karazana indiana amin' ny aorôka. Ny anarany ara-tsiansa dia Bos taurus indicus. na Bos indicus.

Karazana na zana-karazana omby avy any Azia Atsimo izy io. Ity omby ity, toy ny omby sangà maro, dia tsy mitovy amin' ny omby tsy misy trafo amin' ny fananany trafo izay vongan-tavy eo ambonin' ny sorony, ny kambikabiny na siranandony lehibe, ary indraindray ny sofiny miraviravy. Mifanaraka tsara amin' ny hafanana be izy ireo ary omiana manerana ny faritra trôpikaly rehetra.

Tsenan' omby eto Madagasikara

Ny omby misy trafo dia atao biby fiompy sy fitaingina, ompiana hakana be ronono sy hena, ary koa hahazoana hoditra sy zezika ho an'ny solika sy zezika. Ompiana hatao namana ihany koa ny karazany kely sasany toa ny Nadudana. Any amin' ny faritra sasany, ny omby misy trafo dia manana lanjany ara-pivavahana lehibe.

Mitana toerana lehibe ny fiompiana omby ao Madagasikara: harena ny omby sady biby entina hangataham-pitahiana (joro) ihany koa.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]