Lembalemba Iraniana

Avy amin'i Wikipedia
Toerana misy ny Lembalemba Iraniana eo akaikin' ny sisin-tany manelanelana ny Takelaka Eoraziana sy ny Takelaka Arabika ary ny Takelaka Indiana

Ny Lembalemba Iraniana na Lembalemba Ariana na Lembalemba Persiana dia lembalemba midadasika eo anelanelan' ny Atsinanana Afovoany sy i Azia Afovoany. Voahodidin' ny tendrombohitra Zagros any andrefana, ny tandavan-tendrombohitra Alborz sy i Kopet-Dag any avaratra, ny andilan' i Hormuz (na Ormuz) ary ny Hoala Persiana any atsimo ary i Hindu Kush any atsinanana izy.

Mandrakotra ny ampahany be amin' i Iràna (eo amin' ny 2/3 amin' ilay firenena avy any amin' ireo tendrombohitra Zagros mankany atsinanana), ny faritra manontolo ao Azerbaijàna, ao Afganistàna (indrindra ny faritra andrefana sy atsimo amin' io firenena io), amin’ ny tapany andrefana amin’ i Pakistàna (ao Balotsistàna) ary koa ny atsimo sy atsinanana amin' i Torkmenistàna. Mirefy 3,7 tapitrisa km2 eo ho eo ny Lembalemba Iraniana izay miendrika efadafy ka ny zorony dia ny tanànan' i Tabriz (ao Iràna), i Shiraz (ao Iràna), i Peshawar (ao Pakistàna) ary i Quetta (ao Pakistàna).

Na dia antsoina hoe "lembalemba" aza izy dia tsy fisaka ny vohony ary misy tandavan-tendrombohitra maromaro eo afovoany, ka ny tampona avo indrindra dia ny Tendrombohitra Damavand (5610 m) ao amin' i Alborz ary ny iva indrindra dia ao amin' ny tany efitr' i Lut (Dasht-e Lut) (- 300 m).

Tamin' ny Andron’ ny Alimo dia namakivaky ny tendrombohitra Zagros (izay nampitohy an’ i Mesôpôtamia sy ny Lembalemba Iraniana) i Elama. Mety ho tany amin’ ny faritra afovoan’ ny Lembalemba Iraniana no nisy ny fanjakan' i Aratta, fantatra tamin’ ny alalan’ ny loharano amin’ ny soratra miendri-pantsika. Tamin' ny Andro Taloha, ity faritra ity dia fantatra amin' ny anarana hoe Persia (na Persa), noho ny tarana-mpanjaka persiana Akemenida avy any Fars (na Pars). I Erān (izay niandohan' ny anarana amin’ ny fiteny persiana môderina hoe Iran) dia nampiasaina mba hilazana ny fanjakana (fa tsy ho anaram-poko) tamin' ny vanim-potoan’ ny Sasanida.

Be dia be ny leôparda, ny bera (orsa), ny hiena, ny lambo, ny ibeksa, ny gazela, ary moflôna (karazana ombidia) ao amin' io lembaemba io. Any amin' ny tendrombohitra misy ala any amin' ilay lembalemba no tena ahitana ireo biby ireo. Ny morontsiraky ny Ranomasina Kaspiana sy ny Hoala Persika dia ahitana voron-drano toy ny gôelà sy ny ganagana ary gisa. Ny serfa (na diera), ny sokina, amboahaolo, ary karazana biby mpikiky 22 dia hita any amin' ny tany somary efitra, ary ny skirela sy ny bera mainty (orsa mainty) aziatika dia mipetraka any Balotsistàna. Ny karazam-biby an-drano sy biby mandady na mikisaka toy ny saobakaka, ny sahona, ny sokatra, ny androngo, ny salamandra, ny karazam-bibilava maro, dia mipetraka any amin' ny faritr' i Balotsistàna ary manaraka ny tehezan' ny tendrombohitra Elburz sy Zagros. Karazan-trondro 200 no mipetraka any amin’ ny Hoala Persika. Karazana trondro 30 fivarotra (indrindra ny Esturgeon na Sturgeon) no hita any amin' ny Ranomasina Kaspiana.