Fiteny argo

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny argo dia sampana ao amin' ny fiteny torkika mahazatra miaraka amin' ny fiteny ôgoza, ny fiteny kiptsaka, ny fiteny karloka ary ny fiteny torkika siberiana. Tsy toy ny sampana hafa ity vondrona ity fa tsy misy fiteny maro. Ny fiteny argo ara-tantara sy ny fiteny kalaja taranany no hany fiteny amin' ity vondrona ity.

Ny Argo dia vondrona foko torkika miteny amin' ny fiteny roa tamin' ny taonjato faha-11. I Al-Kashgari no nanonona voalohany ny foko argo sy ny fiteny argo. Nanoratra izy fa nipetraka teny amin’ ny tendrombohitra izy ireo ka izany no niantsoana azy ireo hoe Argu, izay midika hoe “eo anelanelany”. Tamin' io vanim-potoana io ihany (taonjato faha-9/10), dia noraketin' ny mpanao dia lavitra koa ny anarana hoe khalaj. Miaraka amin' ny fahitana ny Kalaja môderina, dia hita fa ny fiteny kalaja dia mitovy amin' ny fiteny argo aoamin' ny Dīwān Lughāt al-Turk.

Nanonona ny Kalaja (Karakhanid: خَلَج) koa i Mahmud Al-Kashgarî tao amin' ny Divan, saingy tsy nosoratany hoe Arghu izy ireo. Ao amin' ny lahatsoratra torkmena dia voarakitra fa tena Torkmena/Ôgoza ny Kalaja, saingy tsy mihevitra ny tenany ho Ôgoza izy ireo. "...Ny Torkmena dia foko efatra amby roapolo, fa ny Kalaja, izay misy foko roa, dia tsy heverina ho Ôgoza mihitsy, satria misaraka amin' izy ireo indraindray..."

Nipetraka tany Talas, tany Balasagun ary tany Sayram ny vondrona foko argo. Nifanila tamin' ny vondrona foko ôgoza izy ireo. Araka ny voalazan' i Al-Kashgari dia samy nifandray singa avy amin' ny fitenin' ny tsirairay avy ny fiteny ôgoza sy ny fiteny argo. Ny anarana hoe Khalaj dia noraketin' ny jeôgrafa arabo manodidina ny Syr Darya tany Afghanistana tamin' ny taonjato faha-9 sy faha-10. Mijanona ao amin' ny faritr' i Talas ny toeram-ponenan' izy ireo amin' ny ririnina. Io no faritra nisy ny Argo tamin' ny taonjato faha-11. I Khwarezmi, miaraka amin' i Kancina, dia mampiseho ny Tiorka Kalaja ho foko sisa tavela amin' ny Eftalita. Tsy maintsy nifindra monina tany Iràna ankehitriny ny Kalaja taty aoriana. Ny tanindrazany, izay nanoratana azy ireo voalohany, dia i Azia Afovoany Atsimo.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]