Fiteny kiptsaka

Avy amin'i Wikipedia

Ny fiteny kiptsaka, izay fantatra ihany koa amin' ny hoe fiteny torkika avaratra-andrefana, dia zana-tsampana amin' ny fianakaviam-piteny torkika ampiasain' ny olona miisa 28 tapitrisa eo ho eo any amin' ny ampahany be amin' i Azia Afovoany sy any Eorôpa Atsinanana, manomboka any Okraina ka hatray Sina. Ny sasany amin' ny fiteny be mpampiasa indrindra amin' ity vondrona ity dia ny fiteny kazàka sy ny fiteny kirgizy ary ny fiteny tatara.

Ireto avy ny fiteny ao amin' ny vondrom-piteny kiptsaka:

  • fiteny kiptsaka andrefana: fiteny komana, armenô-kiptsaka, kiptsaka mameloka, karatsay-balkara, komika, krimtsaka, karaima, tataran' i Krimea, oroma.
  • fiteny kiptsaka avaratra (Volga-Ural): fiteny baskira, tatara, tataran' i Siberia (fiteny baraba, tataran' i Tobol-Irtych)
  • fiteny kiptsaka atsimo (aralô-kaspiana): fiteny karakalpaka, kazàka, kirgizy, nôgay.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]