Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

Ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana na Fiangonana ôrtôdôksa katôlika izay fantatra indrindra amin'ny anarana fohy hoe Fiangonana ôrtôdôksa dia fiangonana faharoa, raha ny hamaron'ny mpino ao aminy no jerena. Iray amin'ireo fiangonana tranainy indrindra izy. Fiombonam-piangonana ôrtôdôksa maromaro izay samy niorina araka ny Kônsily fito nifandimby izay atao hoe "Fiangonan'ny kônsily fito" izy. Ny ankamaroan'ny Fiangonana ortodoksa tatsinanana dia hita ao Eoropa Andrefana sy ao Grisia (na Gresy) ary ao Kaokazy. Ahitana mpivavaka ôrtôdôksa koa ny tapany atsinanan'i Mediteranea sy ao Afrika. Vitsy dia vitsy ny mpino ortodoksa any Atsinanana Afovoany noho ny fisian'ny fanenjehana. Amin'izao fotoana izao dia miisa 250 000 000 any ho any ny mpino ôrtôdôksa maneran-tany.

Ireo fiangonana 14 mpiombona[hanova | hanova ny fango]

  • Patriarkata ekiomenikan'i Kônstantinôpôly;
  • Fiangonana ôrtôdôksan'i Aleksandria sy Afrika manontolo;
  • Fiangonana ôrtôdôksan'i Antiôkia ao Siria sy ny Atsinanana manontolo;
  • Fiangonana ôrtôdôksan'i Jerosalema ho an'i Israely sy Palestina sy Jôrdania ary Sinay;
  • Fiangonana ôrtôdôksan'i Jeôrjia;
  • Fiangonana ôrtôdôksan'i Kiprosy;
  • Fiangonana ôrtôdôksan'i Serbia;
  • Fiangonana ôrtôdôksan'i Rosia;
  • Fiangonana ôrtôdôksan'i Grisia;
  • Fiangonana ôrtôdôksan'i Romania;
  • Fianginana ôrtôdôksan'i Bolgaria;
  • Fiangonana ôrtôdôksan'i Albania;
  • Fiangonana ôrtôdôksan'i Pôlônia;
  • Fiangonana ôrtôdôksan'i Tsekia sy Slôvakia;
  • Fiangonana ôrtôdôksan'i Okraina.

Ny Fiangonana Ôrtôdôksa eto Madagasikara dia isan'ny Fiangonana ôrtôdôksan'i Aleksandria sy Afrika manontolo.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]