Ranomasina Mediteranea

Ny Ranomasina Mediteranea dia ranomasina any atsimo-andrefan' i Eorazia, ary ranomasina any avaratr'i Afrika. Misy 4 000 km ny halavany avy any andrefana hatrany atsinanana, ary 1 800 km ny halaliny. Manasaraka an' i Afrika amin' i Eorôna ny Ranomasina Mediteranea. Ny andilan' i Suez fotsiny no ifandraisan' i Afrika sy ny kôntinenta Eorazianina. Manasaraka an'i Espaina sy i Afrika Avaratra ny andilan-dranomasin'i Gibraltar, 14 km monja ny elanelan'i Afrika Avaratra sy i Eorôpa Andrefana.
Ny anarana hoe Mediteranea dia avy amin'ny teny latina hoe Mediterraneus[1], izay midika hoe "(ranomasina) eo anivon-tany", araka ny teny niaviany hoe mare medi terra amin' ny teny latina (araka an' i Isidora avy any Sevila tamin' ny taonjao-o faha 7).
Nandritra ny Andro Taloha dia lalana fandefasana entana sy varotra ny Ranomasina Mediteranea, ahafahan'ny fifandraisana ara-barotra sy ara-kolontsaina eo amin' ny mponina mipetraka manodidina an'io ranomasina io: ny kolontsain' i Mezôpôtamia, ny an' i Ejipta, ny kolontsaina semitika, persana, fenisianina, kartajinianina, grika ary romana. Zava-dehibe amin'ny fiaviana sy ny fivoaran'ny sivilizasiôna any amin' ny Tandrefana ny tantaran' i Mediteranea.
Etimôlôjia
[hanova | hanova ny fango]Ny teny hoe Mediteranea dia avy amin'ny teny latina hoe meditarraneus, izay midika hoe "eo afovoan' ny tany", eo anivon'ny "tontolo fantatra" (fantatry ny Eorôpeanina) mazava ho azy, ao amin' ny teny hioe Mediteranea dia misy fototeny roa: medius ("anivo") ary terra ("tany").
- Mirefy 1 500 m eo ho eo ny salan-kalalin' ny Ranomasina Mediteranea. Ny Ranomasina Iônianina (-5 121 m) eo eo amin' ny halon' i Matapan (aikaikin' i Pelôpônezia) no faritra lalina indrindra.
- Mirefy 2,5 tapitrisa km² (3 tapitrisa miaraka amin' ny Ranomasina Mainty, 1 % amin' ny totalin' ny ranomasina) ny velaran' ny Ranomasina Mediteranea.
- Mirefy 3,7 tapitrisa km3 ny hadiriny.
Mirefy 46 000 km ny halavan' ny morontsiraka. Misy dobo roa ny Ranomasina Mediteranea: ny voalohany dia manana velarana 0,85 tapitrisa km2 ary ny faharoa dia manana velarana 1,65 tapitrisa km2.
