Tatara Krimeana

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' ny Tatara Krimeana
Tatara Krimeana tamin' ny taonjato faha-19.

Ny Tatara Krimeana dia fitambarana vahoaka torkika sy taranaky ny Môngôliana izay nanorim-ponenana tamin' ny taonjato faha-13 tao amin' ny saikinosy Krimea. Tafakambana voalohany tao amin' ny Hôrda Volamena, teo anelanelan' ny taonjato faha-15 sy faha-18 izy ireo no namorona ny Kanatan' i Krimea notarihin' ny taranak' i Genghis Khan, izay nampanaiky ary avy eo dia nampiditra ny Hôrda Volamena (taona 1502). Tamin' ny taona 1475 anefa dia lasa prôtektôratan' ny Empira Ôtômana izy, ary avy eo resin' i Potemkine tamin' ny farany ary nampidirina tao amin' ny Empira Rosiana tamin' ny taona 1792.

Ny Tatara hafa dia monina any amin' ny faritra sasany any Rosia sy any amin' ny repoblika sôsialista sôvietika taloha, ary koa any Finlandy, any Pôlônina, ny Romania, any Balkana ary any Torkia.

Ireo niharam-boina tamin' ny taona 1944 tamin' ny fandroahana faobe nodidian' i Staline, ary na dia maro aza no afaka niverina tany nanomboka tamin' ny taona 1989, ny Tatara amin' izao fotoana izao ao amin' ny Repoblikan' i Krimea ankehitriny dia tsy misy afa-tsy 10 % amin' ny mponina 2 400 000.

Fitsinjaran' ny mponina isaky ny firenena[hanova | hanova ny fango]

Ny fitambaran' ny isan' ny Tatara krimeana dia eo anelanelan' ny 500 000 sy 2 000 000. Toy izao ny fitsinjaran' izy ireo isam-pirenena:

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]