Aller au contenu

Tantaran' i Okraina

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Okraina
Sarin-tanin' i Okraina

Ny tantaran' i Okraina amin' ny maha firenena mahaleo tena azy dia vao haingana, fa fanjakana okrainiana maro no efa nisy teo aloha (Prinsipaotean' i Galisia-Vôlhinia tamin' ny taonjato faha-11 ka hatramin' ny faha-13 ary ny Hetmanata Zapôrôziana tamin' ny taonjato faha-16 ka hatramin' ny faha-18). Taorian' ny andrana voalohany hahazoana fahaleovantena teo anelanelan' ny 1918 sy 1920 dia nahazo ny fahaleovantenany maharitra kokoa i Okraina tamin' ny 1991 tamin' ny faharavan' ny Firaisana Sôvietika, saingy atahorana indray izany amin' izao taonjato faha-21 izao. Efa ela ny vahoaka okrainiana no nipetraka teo ambany aloky ny firenena matanjaka kokoa: voalohany i Litoania sy i Pôlônia, avy eo ny empira aotrisiana nifandimby ary indrindra i Rosia. Ny olo-manan-kaja sy olon-tsangany okrainiana dia nandray betsaka kolontsaina avy ivelany nandritra io vanim-potoana io.

Tamin' ny taonjato faha-19, tao amin' i "Rosia Vaovao" izay resy tao amin' ny Kanatan' i Krimea sy tao amin' ny Empira Ôtômana, dia nisy fidirana be sy fiorenam-ponenan' ny voanjo rosiana sy okrainiana tao amin' ny Fatrana Pôntika ao amin' ny tsernôziôma, izay nampiasain' ny Tatara Krimeana tanteraka ho ahitra hampihinanina biby fiompy. Io faritra io no lasa "sompitry ny varimbazaha" ho an' ny Empira Rosiana, izay nampandroso ny indostria sy ny fitrandrahana harena an-kibon' ny tany ao amin' ilay antsoina ankehitriny hoe Donbass. Tany ambanivohitra sy tany amin' ny faritra andrefana sy afovoany no tena onenan' ny Okrainiana.

Lasa anisan' ny repoblikan' ny Firaisana Sôvietika tamin' ny taona 1922 i Okraina, niaina fandrosoana fohy tamin' ny taona 1920 niaraka amin' ny "politika ara-toekarena vaovao" izay namela ny fampivoarana ny fiteny sy ny kolontsainy ihany koa.

Fa ny fakan' i Stalin fahefana dia narahin' ny fampiombonam-pananana an-tery niaraka amin' ny fakana an-keriny fananan' olona, izay nahatonga ny mponina ambanivohitra hahantra ary niafara amin' ny mosary, atao hoe Holodomor, izay nahazo ny tantsaha 3 ka hatramin' ny 4,5 tapitrisa, tamin' ny fotoana nanondran' ny Firaisana Sôvietika ny voamadinika mba hanangonam-bola ho an' ny indostria. Nahazo ny olon-tsangany ihany koa ny Horohoro Mena izay nenti-nanafoana izay mety ho nasiônalisma okrainiana sy ny mety ho faniriana hahazo fahaleovantena. Ny Ady Lehibe Faharoa dia nanova an' i Okraina ho toeram-piadiana feno rà mandriaka ho an' ny miaramilan' ny mpifanandrina andaniny sy ho an' ny sivily ankilany. Tsy noraharahaina tanteraka ny Fifanarahana tao Geneva ary saika potika tanteraka ny vahoaka vitsy anisa tao amin' ilay firenena. Indrindraindrindra, saika naringan' ny Nazi ny vahoaka jiosy okrainiana be dia be raha nataon' ny NKVD (НКВД) sesitany kosa ny Tatara sy ny Alemàna tao amin' ny Ranomasina Mainty.

Tamin' ny fiafaran' ny ady dia lasa saham-paharavana ilay firenena ary niharan' ny mosary vaovao, dia ny mosary tamin' ny taona 1946-1947, satria ny mpitondra sôvietika dia nanao laharam-pahamehana ny fanamboarana ny fitaovana ho an' ny indostria. Lasa ivon-toerana lehibe amin' ny indostria mavesatra tao amin' ny Firaisana Sôvietika sy ho an' ny indostria ara-tafika i Okraina. Nandritra ny taompolo 1960 sy 1970, ny olon-tsangany kôminista okrainiana (Nikita Khrushchev, Leonid Brezhnev) no nitana ny toerana ambony indrindra tao amin' ny Firaisana Sôvietika.

Na dia teo aza ny ezaka hanavao rafitra notarihan' i Gorbachev tamin' ny taompolo 1980, nahazo ny fahaleovantenany indray ny repoblika isan-karazany tao amin' io fanjakana federaly io. Nifidy ny hahaleo tena ny 92 % amin' ny mponina tao Okraina. Tena nandringa anefa ny fahazoana firenena mandroso azo iainana: mbola eo amin' ny fitondrana ny apparatchik sôvietika sady nanao ampihimamba ny orinasa lehibe; vokatr' izany sy noho ny fisian' ny vahoaka rosiana marobe ao, ny toekaren' i Okraina dia nifamatotra tanteraka amin' ny an' i Rosia ary ny mpitarika rosiana dia niditra an-kolaka mba hampitsahatra ny fahaleovantena izay toa tsy ara-dalàna amin' izy ireo. Nanjavozavo ny maha firenena ilay firenena noho ny fitopolo taona nisian' ny fampielezan-kevitra sôvietika (izay nihevitra ny lafiny rehetra tsy rosiana sy tsy sôvietika amin' ny tantara okrainiana ho "teraka avy any ivelany", manomboka amin' ireo faritra ara-tantarany): araka io fomba fijery rosiana io, ny Repoblikan' ny Firenena Roa (Pôlônia sy Litoania), ary ny Prinsipaotean' i Môldavia dia "vahiny mpibodo", ny Kôsaka Zapôrôziana dia "mpikarama an' ady", ny Hetman (Fanjakana Okrainiana) sy ny Rada tamin' ny taona 1918 (antenimiera okraniana) dia "mpamadika", ny Tsaratan' i Rosia dia "hery mpanafaka", ary i Okraina Sôvietika dia "fahatanterahan' ny voninahitry ny hetaheta rehetra an' ny vahoaka okrainiana". Ao anatin' izany toe-javatra izany, ny rafitra pôlitika dia voahozongozon' ny krizy maro ka ny fanontaniana fototra dia ny maha anisan' ny tontolo anjakan' ny Rosiana na ny fanakekezana an' i Eorôpa. Ny fifanenjanana nisy teo amin' i Okraina sy i Rosia dia niteraka fidirana an-tsehatra ara-tafika maro nataon' ity firenena ity tao amin' ny tany okrainiana: tamin' ny 2014 tany Donbass sy Krimea, tamin' ny taona 2022 ny fananiham-bohitra nataon' i Rosia tao Okraina.

Tamin' ny taona 2024, ankoatry ny korontana amin' izao fotoana izao, i Okraina, izay manana velarana 603 649 km2, dia fonenan' ny Okrainiana 42 tapitrisa eo ho eo, izay miteny okrainiana ny ankamaroany, miaraka amin' ny vahoaka vitsy anisa maromaro, matetika vokatry ny fifindrà-monina taloha. Nahatratra 17 % ny mponina rosiana na miteny rosiana. Voalaza fa nahatratra ny fara tampony tamin' ny taona 1990 ny mponina ao Okraina izay nisy mponina 52 tapitrisa. Ny zanaka am-pielezana okrainiana, izay efa tranainy amin' ny ampahany, dia nitombo nanomboka tamin' ny taona 1991, ary nihafaingana izany nanomboka tamin' ny taona 2022.

Fiavian' ny mponina

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny voalohany dia nonenan' ny Skitiana, avy eo ny Sarmatiana, i Okraina ka niharan' ny andiam-pananiham-bohitra nataon’ ny Barbariana talohan' ny fanorenam-ponenana nataon' ny Varangiana (na Varega) ary nanorina ny Rosin' i Kiev tamin' ny taona 822, dia i Kyiv renivohitry ny fanjakana rosiana voalohany tamin' ny taonjato faha-11 sy faha-12.

Tamin' ny taonjato faha-13 dia nanafika an' ilay faritra ny Môngôly, ka nahatonga ny faharavan' i Rosia Kieviana. Any andrefana, ny Fanjakan' i Galicia-Volhynia, naorina tamin' ny taona 1199, dia tsy dia niharan' ny fanafihan' ny Môngôly loatra raha mitaha amin’ ny faritra hafa, nefa lasa teo ambany fifehezan' i Pôlônia tamin' ny taonjato faha-14. Tamin’ izany fotoana izany ihany dia resin' i Litoania koa i Kiev sy ny faritra misy azy, nefa taty aoriana dia lasa fananan' ny Pôlôney. Tsy naharesy ny Kôsaka zapôrôziana mpiara-dia amin’ i Rosia anefa i Pôlônia.

Ireo tany ao atsinanan’ i Dniepr dia nomena an’ i Rosia tamin’ ny taona 1667, araka ny fifanarahana tany Andrussovo. Ny sisa amin' i Okraina, ankoatra an' i Galicia, izay nifamatotra tamin' ny Empira Aostrô-Hôngroà tamin' ny taona 1772 ka hatramin' ny taona 1919, dia nampidirin' ny Empira Rosiana tao aminy taorian' ny fizaràna fanindroany an' i Pôlônia tamin' ny taona 1793.

Fahaleovan-tena tamin' ny taona 1917 – 1921

[hanova | hanova ny fango]

Nandritra ny Ady Lehibe Voalohany, taorian’ ny Revôlisiôna Bôlsevika tamin’ ny taona 1917, dia nanambara ny fahaleovantenany i Okraina, izay nanohizana ny fanindrahindram-pirenena (nasiônalisma) matanjaka. Nandritra izany fotoana izany, tany Galicia sy tany Bukovina ary tany Okraina karpatiana, ny Okrainiana teo ambany fitondran' i Aotrisy dia nanafaka ny tenany ary nanorina, tamin' ny taona 1918, ny repoblikany manokana tany Galicia Atsinanana; ka tsy ela akory dia nanatevin-daharana an' i Okraina rosiana mba hanangana federasiôna. Herintaona taty aoriana anefa dia lasa prôtektôrata pôlôney i Galicia Atsinanana taorian' ny fihaonambe natao tany Paris.

Nambara tamin' ny Nôvambra 1917, ny Repoblika Entim-Bahoaka Okrainiana izay notarihin' i Symon Petliura avy any Kiev (na Kyiv), dia niatrika, tamin' ny Desambra 1917, ny Repoblika Sôvietikan' i Okraina, izay notohanan' ny Bôlsevika, repoblika izay niorina tao Kharkiv (na Kharkov) ary notarihin' i Rakoski. Nofehezin' ny tafika alemàna hatramin' ny Desambra 1918 taorian' ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana tao Brest-Litovsk (tamin' ny volana Marsa 1918) i Okraina, nefa notarihin' ny governemantan' i Petliura indray, ka niatrika ady mahery vaika nipoitra hatramin' ny 1921 teo amin' ireo Tafika Fotsy avy any Wrangel sy Denikin izay nifanandrina tamin' ny Bôlsevika.

Tamin' ny taona 1920, ny governemanta nasiônalista dia niray tamin' i Pôlônia tamin' ny ady amin' i Rosia, saingy ny fandrosoan' ny tafika bôlsevika dia nahafahan' ny governemanta sôvietika hifehy an' i Okraina, izay nozaraina nandritra ny fifanarahana tao Riga (1921) tamin' i Pôlônia, notolorana an' i Galicia Atsinanana sy i Volhynia, ary i Rosia Sôvietika, izay notolorana ny Repoblika Federalin' i Okraina tamin' ny taona 1922.

I Okraina tao amin' ny Firaisana Sôvietika

[hanova | hanova ny fango]
Sainan' ny Repoblika Sôsialista Sôvietikan' i Okraina

Hatramin' ny taona 1939, ny Firaisana Sôvietika dia nanao izay azony atao hanafoanana ny nasiônalisma okrainiana. Nijaly ilay repoblika noho ny famoriana an-tery ny vokatry ny fambolena sy ny fitakiana sakafo any ambanivohitra, izay nahatonga ny mosary nahatsiravina tamin' ny taona 1932 sy 1933.

Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, taorian' ny fandresen' ny Sôvietika an' i Pôlônia Atsinanana tamin' ny Septambra 1939, dia nakambana tamin' ny Repoblika Sôsialista Sôvietikan' i Okraina i Galicia pôlôney. Rehefa nanafika an' i Okraina ny Alemàna tamin' ny taona 1941, ny nasiônalista okrainiana, izay nanantena fa hisy repoblika mizaka tena mety hipoitra eo ambany fiarovan' ny Nazi, dia nanohanan mafy ny fibodoana. Noraisin' ny Tafika Mena i Okraina tamin' ny taona 1944. Nampangaina ho "mpiray tsikombakomba" ny Okrainiana, ka niharan' ny famoretana mahatsiravina. Tamin' io taona io ihany dia nakambana tamin' izy io ny faritra maro tao Besarabia sy i Bukovina Avaratra, izay romaniana, toraka izany koa ny faritr’ i Ruthenia tamin' ny taona 1945.

Lasa mpikambana feno ao amin' ny Firenena Mikambana ny Repoblika Sôsiaista Sôvietikan' i Okraina tamin' ny taona 1945, ho fampahatsiahivana ny fahaleovan-tenan' ilay firenena teo aloha. I Krimea, izay anisan' ny Repoblika Rosiana, dia nakambana tamin' i Okraina tamin' ny andron' i Nikita Khrushchev tamin' ny taona 1954. Nanomboka tamin' io fotoana io ka hatramin' ny taona 1991, datin' ny fianjeran' ny kômonisma tao amin' ny Firaisana Sôvietika, dia nanaraka lalana mitovy amin' ny an' ny Firaisana Sôvietika ny tantaran' i Okraina.

I Okraina nahazo fahaleovan-tena indray

[hanova | hanova ny fango]

Ny andiam-panavaozana voalohany

[hanova | hanova ny fango]
Leonid Kuchma,
Leonid Kravchuk

Tamin' ny faran' ny taona 1991 dia nanambara ny fahaleovantenany i Okraina, izay neken' ny maherin' ny 90 %n' ny vato tamin' ny fitsapan-kevi-bahoaka. Nahazo fitondrana tamin' ny alalan' ny fifidianana filoham-pirenena i Leonid Kravchuk, mpitarika ny Antoko Kômonista Okrainiana teo aloha. Tamin' ny Desambra 1992, ny praiminisitra vaovao, Leonid Kuchma, dia nametraka fanavaozana ara-toekarena izay nifanandrify tamin' ny fiandohan' ny fahasahiranana ara-toekarena sy ny fiakaran' ny vidim-piainana.

Ny amin' i Krimea

[hanova | hanova ny fango]
Sarintanin' ny Saikanosy Krimea

Tsy ela dia nipoitra ny fifanolanana teo amin' i Rosia sy i Okraina momba an' i Krimea. Fotoana fohy taorian' ny nahazoany ny fahaleovantena dia niforona tao Krimea ny fihetsiketseham-pisintahana notarihin' i Rosia. Nanambara ny fahaleovantenany mihitsy aza i Krimea, nefa nofoanana izany tamin’ ny Mey 1992. Tamin' io volana io ihany anefa, ny mpanao lalàna rosiana dia nanambara ny maha foana ny famindràm-pahefana tamin' ny taona 1954 izay nampiankina an' i Krimea amin' i Okraina.

Nanomboka tamin' ny taona 1991 i Okraina sy i Rosia dia samy nanambara ny fifehezany ny andian-tsambo ao amin' ny Ranomasina Mainty, izay miorina ao amin' ny seranan-tsambon' i Sevastopol (na Sebastopol). Nisy fifanarahana tamin' ny taona 1992 izay nizara ny fibaikoana ireo sambo ireo hatramin' ny taona 1995, datin' ny fizaràna teo amin' ny firenena roa tonta. Tamin' ny volana Janoary 1994 dia nanaiky ny hamindra ny ampahany amin' ny fitaovam-piadiana nokleary ao Okraina, ho an' i Rosia ho takalon' ny fandoro nokleary ilaina amin' ny famokarana angovo, ny filoha okrainiana Kravchuk.

Famatsiam-bola iraisam-pirenena

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny volana Febroary 1994, mba hanampiana ny dingana fampihenana ny fitaovam-piadiana sy hisorohana ny firodanan' ny toekaren' i Okraina manontolo, dia nampanantena ny governemanta amerikana fa hampitombo avo roa heny ny fanampiana an' i Okraina. Tamin' io volana io ihany dia nanaiky ny hanatevin-daharana ny fandaharan' asa fiaraha-miombona antoka ho an' ny fandriam-pahalemana miaraka amin' ny Fikambanan' ny Fifanarahan' i Atlantika Avaratra (frantsay: Organisation du traité de l'Atlantique Nord - OTAN) i Okraina, drafitra natao hampiroboroboana ny fiaraha-miasa ara-tafika eo amin' ny mpikambana ao amin' ny OTAN sy ireo firenena tsy anisan' izany.

Tamin' ny volana Jolay tamin' io taona io ihany, ny praiminisitra teo aloha Leonid Kuchma no voafidy ho filoha tamin' ny 52 %n' ny vato. Amin' ny fifidianana mpanao lalàna, ny ankamaroany dia mankany amin' ny mpandala ny nentin-drazana ary ny Kômonista teo aloha dia mahazo ny maro anisa. Sarotra tamin' i Leonid Kuchma ny manangana governemanta, saingy nanaiky ny fanavaozana ara-toekarena rehetra ny Antenimiera, ary ny Banky Iraisam-Pirenena dia nanaiky fampindramam-bola maika mitentina 500 tapitrisa dôlara. Nanomboka teo dia mbola nijaly noho ny fahasahiranana tamin' ny fanovan-jotra indray ny toekareny i Okraina: tsy voaloa ny karaman' ny mpiasa, nihena ny famokarana, niakatra ny vidim-piainana na dia teo aza ny fampiasana vola okrainiana vaovao (Hryvnia) tamin' ny taona 1996. Ny fanavaozana, indrindra fa teo amin' ny famindram-pitantanana ny orinasam-panjakana amin' ny  tsy miankina, dia nihena noho ny fifanoherana nisy teo amin' ny filoha Kuchma sy ny solombavambahoaka kômonista sy sôsialista izay nanamafy ny maro anisa ao aminy tao amin' ny Antenimiera nandritra ny fifidianana solombavambahoaka tamin' ny volana Marsa 1998.

Fifandraisana amin' i Rosia

[hanova | hanova ny fango]

Ny fiankinan-doha amin' i Rosia, izay toa iray amin' ny kilema lehibe teo amin' ny toekarena okrainiana, dia nitarika ho amin' ny fananganana ny Vaomieran' ny Fiaraha-Miasa ara-Toekarena tamin' ny tanona 1996. Nandritra izany fotoana izany dia nihatsara ny fifandraisana misy eo amin' ny firenena roa tonta, tamin' ny fanaovan-tsonia, tamin' ny volana Mey 1997, ny andiam-pifanarahana izay nahafahana nitsinjarana ny sambo mpiady tao amin' ny Ranomasina Mainty sy nahafahan' i Rosia hanofa ny ampahany amin' ny tobin' i Sevastopol (na Sebastopol) mandritra ny roapolo taona. Nisy ihany koa ny fifanarahana momba ny fisakaizana sy ny fiaraha-miasa, izay natao hanamaivana ny disadisa momba ny satan' i Krimea.

Izany fitoniana izany anefa mbola narefo ihany. Noho izany, i Okraina, izay naniry ny hahaleo tena bebe kokoa amin' i Rosia, dia nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa nokleary tamin' i Etazonia tamin' ny volana Marsa 1998, ho takalon' ny fandaozana ny fanampiana avy amin' i Iràna amin' ny fananganana toby famokarana angovo nokleary. Nikatsaka ny hanamafisana ny fototra eorôpeana koa i Okraina, amin' ny fanaovana fifanarahana momba ny sisin-tany miaraka amin' i Pôlônia ary amin' ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin' ny OTAN nanomboka ny volana May 1997.

Toekarena tsy marin-toerana

[hanova | hanova ny fango]

Firenena marefo vokatry ny fahasahiranana ara-toekarena sy ara-pôlitika ary ara-tsôsialy i Okraina, sady tsy afaka nisafidy hanaraka ny kapitalisma na ny kômonisma tamin' ny fiandohan' ny taompolo 2000. Ny faniriana ny ho mpikambana ao amin' ny Vondrona Eorôpeana, izay efa nisy fotoana nandinihana azy, dia tsy nisy resaka intsony, ary nitady fanohanana avy any ivelany i Okraina, avy amin' i Etazonia sy avy amin' i Rosia. Tamin' ny volana Desambra 2000 dia nakatona tanteraka ny toby famokarana herinaratra Chernobyl, araka ny fampanantenan' i Okraina tamin' ny taona 1995, ho takalon' ny fanampiana ara-bola mihoatra ny 2 lavitrisa dôlara izay hahafahana manao fanorenana toby roa famokarana angovo.

Viktor Yushchenko

Voatendry ho praiminisitra i Viktor Yushchenko tamin' ny Desambra 1999, taorian' ny fahalanian' i Leonid Kuchma indray ho filohan' ny Repoblika, ka nitarika fanavaozana ara-toekarena maromaro izay nahafahan' i Okraina nahita fitomboana ara-toekarena voalohany, tamin' ny taona 2000, hatramin' ny nahazoany indray ny fahaleovan-tenany tamin' ny taona 1991, ary ny fitomboana tsy mbola nisy hatramin' izay teo amin' ny famokarana avy amin' ny taozava-baventy.

Na dia nahazo ny fanohanan' ny Vondrona Eorôpeana aza i Viktor Yushchenko dia tsy maintsy niatrika ny fanoherana tsy nitsaha-nitombo nataon' ny kômonista sy ireo antoko afovoany akaikin' ny filoha Kuchma, nanohitra ny fanavaozana izay nanohintohina ny tombontsoan' izy ireo. Tamin' ny fiafaran' ny fifanandrinana teo amin' ny filoham-pirenena sy ny praiminisitra dia niongana tamin' ny alalan' ny latsa-bato nataon' ny Rada (antenimiera) i Viktor Yushchenko tamin' ny 27 Avrily 2001, ka izany dia nampiditra ny firenena tao anatin' ny fahasahiranana ara-pôlitika lehibe indrindra hatramin' ny nahazoany ny fahaleovantenany.

Georgiy Gongadze
Viktor Yanukovych

I Okraina dia firenena sarotra anajana ny zon' olombelona. Voaporofo izany tamin' ny fanjavonan' i Georgiy Gongadze izay talen' ny gazety mpanohitra an-tambazotra Internet, tamin' ny Septambra 2000. Nandritra ny fifidianana solombavambahoaka tamin' ny Marsa 2002, ny fiaraha-mitantana niforona manodidina ny praiminisitra teo aloha Viktor Yushchenko, izay nantsoina hoe Наша Україна / Nasha Ukraina (midika hoe "Okrainantsika"), dia nahazo 23,6 % tamin' ny vato, teo alohan' ny Antoko Kômonista, izay nahazo 20 %. Lasa piraiminisitra i Viktor Yanukovych.

Niatrika hetsi-panoherana tsy nitsaha-mitombo ny filoha Kuchma, nefa ny pôlitikan' ny raharaham-bahiny ao Okraina dia mbola nitsingevaheva teo amin' ny faniriana hiaraka amin' ny Tandrefana andaniny (izany fiarahana izany dia mifototra amin' ny fanavaozana ara-toekarena sy ara-pôlitika hatrany) sy ny filana fifandraisana tsara amin' i Rosia ankilany.

Tamin' ny volana Aogositra 2003 dia nandefa lehilahy miisa 1 600 tany Iràka i Okraina, ho anisan' ny tafika iraisam-pirenena teo ambany fitarihan' i Pôlônia.

Tamin' ny volana Desambra 2003 dia nanandrana nandamina ny fifandirana momba ny andilan-dranomasin' i Kerch sy momba ny Ranomasin' i Azov ny Rosiana sy ny Okrainiana, tamin' ny fanaovana sonia fifanarahana momba ny fitantanana ilay lakandrano. Tamin' ny volana Mey 2004 dia nanao sonia fifanarahana tamin' i Rosia sy i Bielôrosia ary i Kazakstàna i Okraina momba ny fananganana "sehatra ara-toekarena iombonana".

Ny Revôlisiôna Volomboasary

[hanova | hanova ny fango]
Ny Revolisiona Volomboasary tamin' ny taona 2004.

Ny fifidianana filoham-pirenena natao tamin' ny fararanon' ny taona 2004 dia nitarika fahasahiranana ara-pôlitika lehibe, taorian' ny nanambaràna ho mpandresy tamin' ny fihodinana faharoa ny kandidàn' ny fitondrana, ny praiminisitra Viktor Yanukovych, na dia teo aza ny hetsi-panoheran' ny mpanohitra sy ny fanamarihan' ny mpanara-maso iraisam-pirenena — indrindra ny an' ny Fikambanana ho an' ny Fiarovana sy ny Fiaraha-Miasa ao Eorôpa (frantsay: Organisation pour la sécurité et la coopération en Europe - OSCE). Teraka ny hetsika nitondra ny anarana hoe "Revôlisiôna Volomboasary" (okrainiana: Помаранчева революція / Pomarancheva revoliutsiia), mampiseho am-pilaminana ny fanohanany ny kandidàn' ny antoko mpanohitra, Viktor Yushchenko. Noho ny fitokonana an-dalambe sy ny fanaren' ny fianakaviambe iraisam-pirenena (notarihin' ny Vondrona Eorôpeana sy i Etazonia), ary nanohitra ny fiokoan' ny Rosiana mpifanolo-bodirindrina, dia nanambara ny Fitsarana Tampony fa tsy manan-kery ny latsa-bato noho ny halehiben' ny hosoka ary nanome baiko ny hanaovana fifidianana fihodinana faharoa vaovao. Ity krizy pôlitika goavana ity dia nanasongadina ny fahasamihafana misy eo amin' ny faritra andrefana amin' i Okraina izay mpomba ny Tandrefana, sy ny ilany atsinanana miteny rosiana sady mankasitraka an' i Viktor Yanukovych.

Nisy fifidianana vaovao natao tamin' ny volana Desambra 2004, dia nadresen’ i Viktor Yushchenko tamin' ny 52 % tamin' ny vato, raha 77 % kosa ny taham-pahavitrihana. Nandefa antso avo i Viktor Yanukovych, saingy nametra-pialana tamin' ny maha praiminisitra azy andro vitsivitsy taty aoriana, sady tsy nanaiky ny fahareseny.

Ny filoha vaovao dia nikasa ny hampihatra pôlitika tsy mitovy amin' ny nataon' ny teo alohany, voalohany indrindra amin' izany ny ady amin' ny kolikoly. Ilay lohan' ny "Revôlisiôna Volomboasary", Yulia Tymoshenko, dia voatendry ho praiminisitra.

Yulia Tymoshenko
Yuriy Yekhanurov

Ny governemanta okrainiana vaovao dia nanatanteraka ny fifindrana mankany amin' ny toekarena fehezin-tsena izay ilaina amin' ny fampidirana azy ao amin' ny Vondrona Eorôpeana (ao anatin' izany ny famindrana ny orinasam-panjakana ho an' ny tsy miankina) ary niezaka ny hanafaka ny firenena amin' ny fiahiana rosiana. Na izany aza, nanomboka tamin' ny lohataonan' ny taona 2005 dia nisy ny "Ady momba ny Etona", nataon' i Rosia, nefa tena niankin-doha tamin' ny Rosiana i Okraina noho ny fanafarana angovo, ka izany dia nanaporofo fa sarotra ho an' i Okraina ny fanavaozana ny fifandraisany amin' i Rosia sy ny fitadiavany toerana eo amin' ny sehatra iraisam-pirenena. Ankoatra izay dia niharatsy ny toe-draharaha ara-tsôsialy sy ara-toekarena sady nihamalemy haingana ny Revôlisiôna Volomboasary noho ny fisaratsarahana sy ny fifampiampangana kolikoly. Tamin' ny volana Septambra 2005 dia nandrava governemanta ny filoha Yushchenko ka notendrena ho praiminisitra ilay mpahay toekarena atao hoe Yuriy Yekhanurov, izay nankatoavin' ny Rada (antenimiera) taorian' ny fifanarahana tamin' ny mpanohitra, ary tonga dia nitsidika tany Rosia izy mba hampitony ny disadisam-pifandraisana eo amin' ny firenena roa tonta.

Nandritra ny fifidianana solombavambahoaka tamin' ny Marsa 2006 dia niaritra fahasahiranana lehibe ny filoha Yushchenko. Nahazo latsaky ny 14 % monja tamin' ny vato (izany hoe 81 amin' ny toerana 450 ao amin' ny Rada) ny antoko Nasha Ukraina ("Okrainantsika") izay lasa laharana fahatelo aorian' ny Antokon' ny Faritra (okrainiana: Партія регіонів / Partiya rehioniv) an' i Viktor Yanukovych (nahazo 32,1 %n' ny vato sy toerana 186) sy ny Vondrona Yulia Tymoshenko (okrainiana: Блок Юлії Тимошенко / Blok Yuliyi Tymoshenko) (nahazo 22,3 %n' ny vato sy toerana 129) - nahazo toerana 33 ny Sôsialista ary 21 kosa ny Kômonista. Naharitra volana maromaro ny fifampiraharahana sy ny famerenana ny firaisankina vao izay tanteraka ny fananganana ny governemanta iraisana eo amin' ny Partiya rehioniv ("Antokon' ny Faritra") sy ny Sôsialista, tamin' ny volana Aogositra, governemanta izay notarihin' i Viktor Yanukovych, mpifanandrina aminy taloha. Noravan' ny filoham-pirenena ny Rada (antenimiera) taorian' ny fifandonana teo amin' ny governemantan' ny maro anisa nandritra ny volana maromaro. Nandresy tamin' ny fifidianana vaovao nifanesy tamin' ny Septambra 2007 ny Partiya rehioniv, izay teo alohan' ny Blok Yuliyi Tymoshenko nanana ny maro anisa tamin' ny fiarahany amin' ny Nasha Ukraina. Voatendry ho praiminisitra i Yulia Tymoshenko.

Ny ady isankarazany tao Okraina

[hanova | hanova ny fango]

Ny Euromaidan sy ny fahaleovan-tenan' i Krimea

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny taona 2010 dia lany ho filoham-pirenena i Viktor Yanukovych izay mpomba ny Rosiana. Taorian' ny fandavan' ny governemanta ny hanao sonia fifanarahana fifampiraharahana amin' ny Vondrona Eorôpeana dia niteraka fionganan’ ny fitondrana ny fanamafisana ny hetsika Euromaidan. Vetivety dia nipoaka ny krizy teo amin' ireo ôblasta (faritany) miteny rosiana, indrindra any tapany atsimo-atsinanan' i Okraina izay nanohitra ny fahefana vaovao tao Kyiv.

Tamin' ny 11 Marsa 2014 dia nanambara ny fahaleovan-tenany i Krimea, ary taorian' ny fitsapan-kevi-bahoaka dia nakamban' ny Federasiônan' i Rosia aminy izy tamin' ny 18 Marsa 2014. Ity fitsapan-kevi-bahoaka ity sy ny fampidirana an' i Krimea ao amin' ny Federasiônan' i Rosia dia nomelohin' i Okraina sy ny ampahany be amin' ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Noho izany, tamin' ny 27 Marsa 2014, ny Fihaonamben' ny Firenena Mikambana dia nandany ny Fehin-kevitra 68/262 momba ny tsy fanombinana amin' ny tanin' i Okraina, ny ankamaroan' ny firenena dia manameloka ny fanakambanana an' i Krimea amin' i Rosia: firenena 100, anisan' izany i Etazonia sy ny ao amin’ ny Vondrona Eorôpeana.

Ady tao Donbass

[hanova | hanova ny fango]
Sarintany maneho an' i Donbass, ao amin' ny tapany atsinanan' i Okraina (nolokoana mavo).

Nipoaka avy eo ny ady an-trano, izay fantatra amin’ ny anarana hoe "Ady tao Donbass", tany amin’ ny tapany atsinanan’ i Okraina izay maro miteny rosiana, ka nahafatesana olona maherin’ ny 10 000.

Lasibatry ny famelezana ny lamina internet i Okraina, famelezana izay natao hampihenana ny maha ara-dalàna ny fitondrana okrainiana sy hitsapana ny fitaovam-piadiana an-tserasera vaovao ary hanakorontana ny toekarena ihany koa. Izany famelezana izany dia afaka nanakatona toby nokleary sasany ary nanakana ny milina mpitsinjara vola tsy hiasa. Anisan' ireo fanafihana ireo ny fampiasana ny prôgrama NotPetya izay voalaza fa nisy fiantraikany tamin' ny 70 % hatramin’ ny 80 % amin' ny solosaina amin' ny orinasa lehibe. Rehefa nanambara ny valin' ny fifidianana filoham-pirenena tamin' ny taona 2014 ny fahitalavitra lehibe dia niharan' ny fanodinana amin’ ny tsy izy ny vaovao ka nanambara valim-pifidianana diso. Tamin' ny taona 2016, ny OSCE, izay fikambanana niantoka manokana ny fanaraha-maso ny fampitsaharana ny ady ao Okraina, dia lasibatry ny famelezana goavana nataon' i Môskoa.

Volodymyr Zelensky tamin' ny taopna 2019

Lany ho filoham-pirenen' i Okraina tamin' ny fifidianana natao tamin' ny taona 2019 i Volodymyr Zelensky. Tsy nanana afa-tsy toerana roa tao amin' ny Rada (antenimiera) anefa ny antokony atao hoe Слуга народу / Sluha Narodu ("Mpanompon' ny Vahoaka") ka noravany izany antenimiera izany mba hanaovany fifidianana indray hahazoany ny maro anisa izay azony tokoa (toerana 254 amin' ny 450).

Na dia nivadika ho fifandonana "malemy vaika" aza ny ady tao amin' ny faritr' i Donbass, hatramin' ny nanombohan' ny ady, dia olona efa ho iray tapitrisa sy sasany no nafindra toerana, ka ny 850 000 tao Okraina ihany, ny 600 000 tany ivelany (ka ny 350 000 nankany Rosia ary 250 000 nankany amin' ny firenena eorôpeana).

Tamin' ny 21 Febroary 2022 dia nanaiky ny fahaleovan-enan' ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Donetsk sy ny Repoblika Entim-Bahoakan' i Lugansk ny filoha rosiana Vladimir Putin ary nanome baiko ny miaramilany hifindra any amin' ireo faritra atsinana amin' i Okraina ireo (Donbass) amin' ny antsoin' ny Rosiana hoe "iraka ho amin' ny fandriam-pahalemana".

Adin' i Rosia sy i Okraina

[hanova | hanova ny fango]

Tamin' ny 24 Febroary 2022 dia nanjera baomba mandatsa-dranomaso sy balafomanga amin' ny tanàna okrainiana maromaro i Rosia, anisan' izany i Kyiv (na Kiev). Niditra ao amin' ny tanin' i Okraina ny tafika an-tanety rosiana.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]