Sôsialisma

Avy amin'i Wikipedia

Ny sôsialisma dia rafitra ara-toekarena sy ara-pôlitika izay ahitana mpiasa, amin' ny toeran' ny mpampiasa, izay mifehy ny fitaovam-pamokarana, toy ny milina sy ny toeram-pambolena. Ireo olona izay manohana izany fiarahamonina miara-miasa izany dia antsoina hoe sôsialista. Finoana manan-danja ny hoe natao hampiasain' ny vahoaka fa tsy natao hahazoan-tombony ara-bola ny famokarana servisy sy entana. Mino ihany koa ny sôsialista fa ny zavatra rehetra amin' ny fiarahamonina dia vokarin' ny asa iarahan' ny vahoaka.

Misy karazany maro ny sôsialisma, ka tsy misy famaritana tokana azo ampiharina amin' izy rehetra; na izany aza, amin' ny karazany rehetra, ny mpiasa no tompon' ny fitaovam-pamokarana. Ny fahasamihafana lehibe eo amin' ny karazana sôsialisma samy hafa dia ny anjara asan' ny tsena malalaka, ny fomba fizakam-pananana, ny fomba famokarana, ny andraikitry ny fitantanana ny mpiasa ary ny anjara asan' ny governemanta eo amin' ny toekarena.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.