Anarsisma

Avy amin'i Wikipedia

Ny anarsisma dia firehana ara-pilôzôfia pôlitika maromaro novolavolaina nanomboka tamin' ny taonjato faha-19 izay mifototra amin' ny andiana rijan-kevitra sy fanao manohitra ny fahefan' ny olona sasany fahefana amin' ny olona hafa, sy mifototra koa amin' ny demôkrasia mivantana sy amin' ny fananan' ny tsirairay fahalalahana izay heverina ho soatoavina fototra. Ny anarsisma dia tsy midika tsy fisian' ny lalàna, fa manohana ny famolavolan' ny vahoaka ny lalàna amin' ny fomba mivantana, na amin' ny alalan' ny fifidianana mivantana ataon' ny vahoaka (fitsapa-kevi-bahoaka na latsa-bato atao amin' ny alalan' ny antsapaka) ary ny fampiharana izany lalàna izany dia eo ambany fanaraha-mason' ny vahoaka (mpitandro ny filaminana izay fidina ny manamboninahitra ao aminy, fahazoana manafoana ny maha olom-boafidy, sns).

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]