Pôlitika

Avy amin'i Wikipedia

Ny pôlitika dia ny fomban' ny olona miaina ao amin' ny vondrona hanapa-kevitra, ny fifanarahana eo amin' ny olona mba hahafahany miara-miaina eo amin' ny vondrona toy ny foko na tanàna na firenena. Ao amin' ny vondrona lehibe, toy ny firenena, ny olona sasany dia mety ho lany fotoana manao fifanarahana toa izany. Ireo olona ireo no antsoina hoe mpanao pôlitika. Ny mpanao pôlitika, ary indraindray ny olona hafa, dia mety miaraka mba hanangana ny fitondram-panjakana. Ny fandinihana ny pôlitika ao amin' ny oniversite no atao hoe siansa ara-pôlitika, fianarana ara-pôlitika, na ny fitantanam-bahoaka.

Ny teny hoe pôlitika dia avy amin' ny teny grika hoe politikê ("siansan'ny raharahan-tanàna"). Teny mitovy dika amin'ny fandrindrana ny tanàna ny politika. Ny tanàna resahina eto dia tanàna mizaka tena grika taloha.

Eo amin'ny fiainana andavanandro, ny teny hoe politika dia manondro ny fomba hitantanana ny firenena, ary ny fomba anaovan'ny fitondram-panjakana fitsipika sy ny lalàna. Fa ny politika koa dia hita ao amin'ny vondrona hafa, toy ny orinasa lehibe na ny sekoly na ny fiangonana.

Governemanta[hanova | hanova ny fango]

Ny governemanta dia miezaka ny hitarika ny vondrona manontolo. Ny fitondram-panjakana dia manao zavatra toy ny:

  • manapa-kevitra mikasika ireo olona mahazo tapa-tany;
  • manapa-kevitra mikasika ny olona afaka milaza amin' ny olon-kafa ny zavatra tokony hatao - manapa-kevitra na handeha hiady amin' ny firenena hafa;
  • mamorona vola;
  • manao zavatra ilain' ny fiarahamonina rehetra, toy ny lalana, hôpitaly, trano famakiam-boky, ary ny seranana;
  • manabe ny olona, ho an' ny tombon-tsoan' ny tenany, na hampianatra azy ireo ny zavatra tian' ny governemanta ho fantany;
  • mikarakara ny tena tanora, ny marary, na ny be antitra;
  • mitantana ny hahasoa ny firenena ary ny mitantana ny vola azo laniana amin' ny raharaha (hôpitaly, sekoly, sns);

Ny iray amin' ireo fomba itaritan' ny governemanta ny vondrona dia ny fanaovana lalàna sy fitsipika, izay milaza ny olona rehetra izay azony sy tsy azony atao. Manao ny lalàna hahatongavana amin' izany ny fitondram-panjakana mba hampilamina ny fiaraha-monina. Ny lalàna hoe "Aza misotro toaka raha mitondra fiara" dia manakana ireo mamo tsy hitondra fiara, izay mety hahafaty olona. Ny lalàna "tsy maintsy manao fiarovan-doha rehefa mitondra môtô" dia natao hiarovana ny tena. Ny governemanta koa dia afaka mifehy ny olona sy ny zavatra mitranga ao amin' ny firenena amin' ny fomba hafa ankoatra ny fanaovana lalàna.

Ohatra, ny fomba andanian' ny governemanta vola dia mety hampisy fahasamihafana lehibe amin' ny zavatra hataon' ny olona na ny zavatra hitranga amin' ny olona. Raha toa ka mandany vola be amin' ny hôpitaly sy ny mpitsabo mpanampy ny governemanta, dia mety ho salama kokoa ny olona. Na koa, raha mankasitraka ny fitondram-panjakana ny olona, na mihevitra fa hendry governemantany, dia mety hanao zavatra izy ireo satria lazain' ny governemanta fa izany no zavatra tsara tokony hatao. Matetika manao dokam-barotra peta-drindrina na fahitalavitra izay mamporisika ny olona hiala amin' ny sigara ny fitondram-panjakana, na hihinana voankazo sy legioma betsaka kokoa.

Pôlitika no matetika oharina amin' ny etika (hevitra momba ny tsara sy ny ratsy). Ny fitsipi-pitondran-tena dia fianarana saro-takarina kokoa momba ny tsara sy ny ratsy. Ny fitsipi-pitondran-tena dia mandalina ny fitsipika bebe kokoa noho ny lalàna na pôlitika na ny fifampiraharahana iraisam-pirenena, ka maro no mihevitra fa tsy azo ampiharina ny fitsipi-pitondran-tena. Fa raha tsy misy fifanarahana eo amin' ny fitsipi-pitondran-tena, dia mety tsy misy fomba isian' ny adihevitra, lalàna na fifidianana. Amin' ny rafitra ara-pôlitika dia misy foana ny fifanarahana amin' ny etika sy ny fitondran-tena manokana.

Antoko pôlitika[hanova | hanova ny fango]

Any amin' ny ankamaroan' ny firenena, manangana antoko pôlitika ny olona mba hampandroso ny heviny. Matetika misy tsy fifanarahana eo amin' ny olona sasany ao anatin' ny antoko iray, fa miara-miasa ihany izy ireo, satria mihevitra izy ireo fa ampy ny fitovian-keviny mikasika ny zavatra iray, ary izy ireo dia hanana hery bebe kokoa raha miaraka. Manaiky manohana ny hevitra amin' ny olana maro izy ireo, ary manaiky ny hanohana ny fiovan-dalàna sy ny mpitondra. Ny fifidianana dia matetika fifaninan' ny antoko samihafa.