Governemanta
Ny governemanta, amin' ny ankapobeny, dia andrim-panjakana itambaran' ny manam-pahefana mitondra sy manara-maso ary mandraharaha ny raharaham-panjakana ao amin' ny firenena iray, sady manana ny fahefana mpanatanteraka. Atao hoe minisitra na sekreteram-panjakana ny mpikambana ao amin' ny governemanta. Avy amin' ny teny grika hoe κυβερνάω / kubernaô, izay midika hoe "mitondra", "mitazona ny familian-tsambo", ny teny hoe governemanta. Ny governemanta no manapaka sy manatanteraka ny asa aman-tao ilaina amin'ny fitondrana ny firenena. Tompon' andraikitra manoloana ny olom-pirenena izay soloan' ny Antenimiera tena, na manoloana ny filohan' ny Repoblika izy, arakaraka ny karazana fitondram-panjakana misy eo amin' ny firenena. Amin' ny siansa sôsialy, ny teny hoe governemanta dia fiantsoana izay rafitra mitondra firenena na fikambanana iray. Ny governemanta no mandrindra ny firenena.