Kômonisma
Apparence
Ny kômonisma na kôminisma dia foto-pampianarana ara-pôlitika niainga avy amin' ny sôsialisma ary, amin' ny ankapobeny, avy amin' ny marksisma, manohitra ny kapitalisma ary mikendry ny fananganana fiarahamonina tsy misy sarangam-piarahamonina, tsy misy mpampiasa sy mpiasa, ary fanomezana ny fitaovam-pamokarana ho an' ny fiarahamonina anjakan' ny demôkrasia tanteraka ho an' ny fampiroboroboana ny toekarena. Ny kôminisma dia manohana ny tsy tokony hisian' ny fanjakana sy ny tokony haha fananana iombonana ny fitaovam-pamokarana. Ny kômonisma dia milaza fa tokony ho fananan' ny olon-drehetra ny ozinina sy ny tanim-boly hamokarana entana na sakafo hohanina.