Hankany amin'ny vontoatiny

Fanjakana

Avy amin'i Wikipedia
Sarintany maneho ny rafitra misy fanjakana tokana (manga) sy rafitra federaly (maitso)

Ny fanjakana dia vondro-mponina ara-pôlitika monina ao amin' ny fizaran-tany voafaritra sady eo ambany fifehezan' ny fitondram-panjakana (governemanta) iray izay heverina ho fitaovana fototra amin' izany ankehitriny.

Amin' ny lafiny fandaminana dia endri-pandaminana ampiasain' ny fiarahamonina ny fanjakana mba hitondrany sy hitantanany ny tenany. Eo amin' ny lafiny lalàna, ny fanjakana dia fitambaran' ny fahefana sy fahafaha-manery ananan' ny firenena amin' ny olom-pirenena sy ny isam-batan' olona, ​​mba hampanjakana ny tombontsoan' ny besinimaro, izany hoe ny tombontsoam-bahoaka na ny soa iombonana.

Eo amin' ny lalàna iraisam-pirenena dia voafaritry ny fananany fizaran-tany ara-dalàna (tanim-pirenena) ny fanjakana manana ny fiandrianany, ka ao anatin' izany tany izany no mihatra amin' ny mponina ao aminy ny lalàny, sady ahitana andrim-panjakana mampihatra fahefana. Tsy maintsy miorina amin' ny maha masi-mandidy ny vahoaka na amin' ny fiandrianan' ny firenena ny maha ara-dalàna an' io fahefana io amin' ny ankapobeny, indrindra ao amin' ny fanjakana lazaina hoe demôkratika.

Matetika ahitana fanjakana tokana misy fizaràna ara-pitantanana isan-karazany nyfirenena iray. Mety ho fanjakana tokana na vondrona federaly ny fanjakana; amin' ity karazany farany ity dia ampiasaina indraindray ny teny hoe "fanjakana" mba hilazana ny fitondrana tsirairay izay mandrafitra ny federasiôna (na fanjakana federaly), ary mety manana ny fahafahana sasany ananan' ny fanjakana manana fiandrianana izy ireo, saingy eo ambanin' ny federasiôna misy azy ary tsy manana fahafahana mitovy amin' izany eo amin' ny sehatra iraisam-pirenena. Teny hafa ampiasaina ao amin' ny rafitra federaly toy izany ny hoe "faritany", "faritra" na teny hafa.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]