Fahaleovantena (pôlitika)

Avy amin'i Wikipedia
Volom-boasary: talohan' ny taona 1815; volon-takatra: tanelanelan' ny 1815 sy 1945; manga: tanelanelan' ny 1945 sy 1990; mavokely: taorian' ny taona 1990.

Ny fahaleovantena dia satan' ny vahoaka na firenena na fanjakana izay ahitana ny mponina ao aminy, na ny ampahany amin' izany, mampihatra ny fitondra sy mitantana ny tenany, ary matetika mampihatra koa ny fiandrianany amin' ny taniny. Ny mifanohitra amin' ny fahaleovantena dia ny satan' ny fiankinana. Ankalazaina ny fahatsiarovana ny andron' ny fahaleovantenan’ ny vahoaka na ny firenena iray rehefa afaka amin’ ny fanjanahantany ilay vahoaka na ilay firenena ka malalaka amin' ny fananganana firenena tsy misy fitsabahan' ny firenena hafa.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]