Fanjakà-mpanjaka

Avy amin'i Wikipedia

Ny fanjakà-mpanjaka, izay atao matetika hoe fanjakana ihany koa, dia firenena mampihatra ny fitondrà-mpanjaka, ka ny lehibem-panjakana amin' izany dia atao hoe mpanjaka, na ny mitovy amin' izany. Na dia ny fitondrana repoblikana aza no arahin' ny firenena maro amin' izao taonjato faha-21 izao dia mbola misy ny fanjakà-mpanjaka amin' ny kôntinenta rehetra. Ohatra amin' izany i Kanada sy i Bahamasy ao Amerika, i Tailandy ao Azia, ny Fanjakana Mitambatra sy i Nederlandy ao Eorôpa, i Marôka ao Afrika ary i Tônga ao Ôseania.

Ny fanjakà-mpanjaka dia tapahin' ny fitondran' olon-tokana, nefa ny mifamadika amin' izany dia tsy voatery ho marina. Amin' ny fanjakà-mpanjaka sasany, ny filoham-pajakana dia mety hitondra ny anarana hoe mpanjaka, emperora, printsy, dioka lehibe, soltana sns.

Ny fahefana maha mpanjaka dia matetika ifandovana, nefa misy ny maningana: mety hofidina ny mpanjaka, tahaka ny tao Pôlônina tamin' ny taonjato faha-17 na i Vatikàna ankehitriny.

Fanjakà-mpanjaka ankehitriny[hanova | hanova ny fango]

Afrika[hanova | hanova ny fango]

Amerika[hanova | hanova ny fango]

Azia[hanova | hanova ny fango]

Afovoany Atsinanana[hanova | hanova ny fango]

Eorôpa[hanova | hanova ny fango]

Ôseania[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]