Tovalo

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Tovalo
I Tovalo ao amin' ny Bolantany

I Tovalo dia firenena sy vondronosy any Pôlineziana, any amin' ny faritra andrefana amin' ny Ranomasimbe Pasifika Atsimo, ao atsimon' ny Fehibe, 699 km atsimo-atsimo-atsinanan' ny nosin’ i Arorae, ny atsimo indrindra amin' ireo nosy Gilbert (Kiribaty), ary 856 km avaratr' i Vanua Levu, any amin’ ireo nosy Fijy. Nahaleo tena izy nanomboka tamin’ ny taona 1978.

Atao amin’ ny teny tovaloana sy amin' ny teny anglisy hoe Tuvalu izy, izay fantatra amin' ny anarana hoe Nosy Ellice tany aloha.

Izy io dia vondronosy misy nosy sivy izay misy mponina avokoa. I Vaiaku no tanàna lehibe indrindra, izay ao Fongafale eo amin' ny nosy Funafuti izay mirefy 12 km. Ny toerana be sakany indrindra amin' ilay nosy, izay misy ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena ahitana lalam-piaramanidina mirefy 1 500 m eo ho eo, dia manodidina ny 400 m. Ao no misy ny antsasaky ny mponina ao amin' ilay firenena.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]