Santa Losia

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Santa Losia
Sarin-tany maneho an' i Santa Losia eo anivon' izao tontolo izao

I Santa Losia dia firenena nosy ao Amerika Afovoany, ao amin' ireo nosy Antilia, manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika sy ao amin' ny Ranomasina Karaîba. I Castries no renivohiny. Mirefy 620 km2 ny velaran-taniny ary nisy mponina miisa 166 487 tao tamin' ny taona 2020. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Ny faritr'ora dia −4.

Nosy avy amin' ny afotroa i Santa Losia. Tandavan-tendrombohitra no makivaky azy avy avaratra mankany atsimo. Toetanin-jana-pehin-tany ny toetany any. Atao hoe Saint Lucia izy amin' ny teny anglisy.

Sarin-tanin' i Santa Losia

Manaraka ny fivavahana katôlika ny ankamaroan' ny mponina ao amin' firenena io. Miompana amin' ny fambolena ny toekaren' i Santa Losia. Mandray anjara be koa ny fizahan-tany. Nahazo ny fahaleovan-tenany i Santa Losia tamin' ny taona 1979. Mikambana ao amin' ny Commonwealth  izy. Ny fiteny anglisy no fiteny ôfisialy any aminy.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Amerika: Antigoa sy Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bôlivia - Brezila - Dôminika - Ekoadôra - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Haitỳ - Hôndorasy - Jamaîka - Kanada - Kioba - Kôlômbia - Kôsta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panama - Paragoay - Però - Pôrtô Rikô - Repoblika Dôminikana - Salvadôro - Santa Losia - Santa Kity sy Nevisy - Santa-Vinsanta-sy-Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite sy Tôbagô -Venezoela

Kôntinenta eto an-tany