Hankany amin'ny vontoatiny

Paragoay

Avy amin'i Wikipedia
{{espainol}}
{{ espainol }}
Repoblikan'i Paragoay ((mg))
Sain'i Paragoay Mari-piandrian'i Paragoay
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : Paraguayos, República o muerte
Malagasy :
Teny ofisialy Espainol , Guarani
Renivohitra Asunción
25°16′54″S 57°38′17″W / 25.28153°S 57.63810°W / -25.28153; -57.63810
Tanàna ngeza indrindra
Fitondrana sy governemanta
 - filoha
Repoblika
Santiago Peña
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 59
406.752( km²
2.6
Isam-ponina
 - Tontaliny (2020)
 - hakitroka
faha 113
6 413 627 mpo.
39 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Paraguaios
IDH ([[{{{IDH_année}}}]]) 0,807 ({{{IDH_catégorie}}}) {{{IDH_rang}}}
Sandam-bola Guaraní ([[ISO 4217|PYG]])
Faritr'ora UTC -3
Hiram-pirenena Hino Nacional Brasileiro
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
++595

I Paragoay dia firenena ao Amerika Atsimo. Ny renivohiny dia i Asunción. Ny tanàna lehibe indrindra dia Asunción. Mirefy 406 752 km2 ny velaran-taniny ary miisa 6 561 748 ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2011. Ny faritr' ora dia –4.

Firenena tsy manana morontsiraka i Paragoay, ny Rio Paraguay dia mamakivaky ilay firenena avy any avaratra mankany atsimo ary mizara ny tanim-pirenena ho faritra roa mifanipaka. Any amin' ny faritra andrefana, i Chaco (na Paragoay Andrefana) dia lemak' antsanga, rakotra zavamanry maitso sy heniheny ary alan-kazo madinika. Any atsinanana, i Paragoay Atsinanana dia mifanandrify indrindra amin' ny fitohizan' ny Lembalemba Paraná, izay mahaforona faritanin-drano lehibe ahitana korian-drano (i Rio Paraná sy i Rio Paraguay ary i Rio Pilcomayo), ny Farihy Ypoá ary korian-drano mahafinaritra maro (indrindra ny riandranon' i Guairá). Rakotra ala mikitroka i Paragoay Atsinanana.

Manodidina ny 95 % amin' ny Paragoaiana no mipetraka any amin' ny faritra atsinanana. Kristianina ny ankamaroan' ireo mponina ireo.

Ny fambolena sy ny fanodinana sakafo no iompanan' ny toekaren' i Paragoay. Manana loharanon-kerin' aratra tena lehibe koa ilay firenena: saika ny herin' aratra rehetra ao amin' io firenena io dia avy amin' ny tohodranon' i Itaipú, eo amin' ny ony Paraná (any atsimo-atsinanana, eo amin' ny sisintany manasarana azy amin' i Brezily). Malemy noho ny krizy ara-bola izay namely an' i Amerika Atsimo tamin' ny faramparan' ny taompolo 1990 anefa ny toekaren' i Paragoay.

Tanàna lehibe

[hanova | hanova ny fango]

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.