El Salvador
13°42′N 89°12′W / 13.700°N 89.200°W
| República de El Salvador ((es)) | |||||
| ((es)) | |||||
| Repoblika El Salvador ((mg)) | |||||
| |||||
| Teny filamatra : Dios, Unión, Libertad Malagasy: Andriamanitra, firaisankina, fahafahana' | |||||
| Teny ofisialy | Espainol | ||||
| Renivohitra | San Salvador | ||||
| [[Tanàna any El Salvador|]] | San Salvador | ||||
| Fitondrana sy governemanta - filoha |
Repoblika Nayib Bukele | ||||
| Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 147 21 041 km² 1,5 % | ||||
| Isam-ponina - Tontaliny (2024) - hakitroka |
faha 109 6 029 976 mpo. 287 mpo./km² {{{1}}} | ||||
| Anaran'ny mponina | Salvadorena | ||||
| IDH (2020) | 0,678 (ambony) | ||||
| Sandam-bola | dolara amerikanina, Bitcoin (USD) | ||||
| Faritr'ora | UTC -6 | ||||
| Hiram-pirenena | Saludemos la Patria orgullosos | ||||
| Valan-tsehatra internet | |||||
| Antso an-tariby |
+503 | ||||
I El Salvadôro dia firenena madinika ao Amerika Afovoany, manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Pasifika sady ny hany firenena any Amerika Afovoany tsy manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasina Karaiba, ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika. I Hôndorasy no ao atsimo-andrefany ary i Goatemala no ao atsimo-atsinanany. Manana velaran-tany mirefy 20 742 km2 sy mponina miisa 6 328 196 ity firenena ity tamin' ny taona 2014. Noho izany dia izy no manana hakitroky ny mponina ambony indrindra eran' i Amerika (eo ho eo amin' ny mponina 320 isaky ny km²). Katôlika ny ankamaroan' ny mponina any Salvadôro. I San Salvador no renivohiny ary i Santa Ana sy i San Miguel no tanàna lehibe ao.
Ny vohon-tanin' i Salvadôro dia ahitana lembalemba iva afovoany, zarazarain' ny lohasahan' ony sady iparitahana volkano maro. Ny faritra avo indrindra ao amin' ilay firenena dia any avaratra, ary ny tangoron-tendrombohitr' i Monte Cristo no ahitana ny tampona avo indrindra izay mahatratra 2 418 m. Nisy horohoron-tany mahery vaika namely ilay firenena tamin' ny taona 2001.
Miankina amin' ny vidin' ny kafe ao amin' ny tsena iraisam-pirenena ny toekaren' i Salvadôro: io no isan' ny vokatra fanondranana lehibe indrindra, miaraka amin' ny landihazo sy siramamy.
Nahaleo tena i Salvadôro nanomboka tamin' ny taona 1821
Rehivohitra
[hanova | hanova ny fango]Tanàna lehibe
[hanova | hanova ny fango]- San Salvador (238.200 mpoina, tanàna lehibe: 1,8 Mio. mpoina)
- Soyapango (283.200 mpoina)
- Santa Ana (226.900 mpoina)
- San Miguel (192.500 mpoina)
- Apopa (185.100 mpoina)
- Mejicanos (144.900 mpoina)
- Ilopango (135.700 mpoina)
- Colón (El Salvador) (131.500 mpoina)
- Tonacatepeque (129.300 mpoina)
- Nueva San Salvador (Santa Tecla) (123.800 mpoina)
- Delgado (El Salvador) (119.500 mpoina)
Galerie
[hanova | hanova ny fango]- Cathédrale métropolitaine.
- Monument à la Révolution.
- Plage à Corral de Mulas, Usulután.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Firenena ao Amerika: Antigoa-sy-Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bôlivia - Brezila - Dôminika - Ekoadôra - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Haity -Hôndorasy - Jamaîka - Kanada - Kioba - Kôlômbia - Kôsta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panama - Paragoay - Però - Pôrtô Rikô - Repoblika Dôminikana - Salvadôro - Santa Losia - Santa-Kity-sy-Nevisy - Santa-Vinsanta-sy-Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite-sy-Tôbagô -Venezoela
- Kôntinenta eto an-tany: Afrika - Amerika (Amerika Avaratra - Amerika Atsimo) - Azia - Eorôpa - Ôseania - Antarktika