Ranomasina Karaîba

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Ranomasina Karaiba)
Ny Ranomasin' ny Karaîba

Ny Ranomasina Karaîba na Ranomasin' ny Karaîba na Ranomasin' ny Antilia dia ranomasina ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika, ao atsinanan' i Amerika Afovoany sy ao atsimon' ireo Antilia Lehibe. Manana habe mirefy 2 415 km avy atsinanana miankandrefana izy ary antsasak' izay avy avaratra mianatsimo, sady manana velarana mirefy 2 640 003 km2.

Sarin-tany maneho ny Ranomasin' ny Karaîba sy ireo nosy ao aminy

Ny anaran' io ranomasina io dia avy amin' ny anaran' ireo vahoaka atao hoe Karaîba izay nonina tao amin' io faritra io talohan' ny fananiham-bohitra nataon' ny Espaniôla tamin' ny taonjaro faha-15.

Ny fanjakana sy nosy lehibe manamorona ny Ranomasin' ny Karaîba dia: