Grenady

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Grenada)
Sainan' i Grenady

I Grenady na Grenada dia firenena ao Amerika Afovoany, ao amin' ireo nosy Karaîba, anisan' ny nosy Antilia, izay manana morontsiraka  ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika sy ny Ranomasin' ny Karaîba. Manana velaran-tany mirefy 348,5 km2 izy, i Saint George's no renivohiny ary tombanana ho 11 454 ny isan' ny mponina tao tamin' ny taona 2018.

Sarin-tany maneho an' i Grenady eo anivon' izao tontolo izao

Ny tanin' io firenena io dia mahafaoka ny nosy Grenady sy ireo nosy ao amin' ny ilany atsimo amin' ny tangoro-nosy Grenadina, izay nosy avy amin' ny afotroa sady ahitana tendrombohitra avo manerinerina eo anivon' ny havoana sy ny lohasaha. Toetanin-jana-pehin-tany mando ny toetaniny. Any amin’ ny faritra atsimo amin' ny vondronosy Windward Islands (îles du Vent) no misy an' i Grenada. Ny tanim-pireneny dia ahitana ny nosy Grenada sy ny nosy atsimo amin' ny vondronosy Grenadines. Avy amin' ny volkano ny nosy Grenada izay feno tampon-tendrombohitra maranitra izay manerinerina eo anivon’ny manoloana havoana sy ny lohasaha. Ity nosy ity, izay dia manana toetany mafana mando, dia iray amin' ireo nosy maitso indrindra amin’ ireo nosy Karaiba.

Mainty hoditra ny ankamaroan' ny mponina ao Grenady ary ny fivavahana katôlika no arahin' ny maro anisa ao. Any ambanivohitra no tena misy ny mponina.

Mivelona amin' ny fambolena eny ambanivohitra ny ankamaroan' ny mponina, ary miompana amin' izany ny toekaren' io firenena io, indrindra ny akondro, ny voamanitra (na moskada) ary ny kakaô. Miroborobo ny fizahan-tany ao amin' io firenena io.

Sarin-tanin' i Grenady

I Colomb no nahita ny nosy Grenada tamin' ny 1498, nandritra ny diany fahatelo nankany Amerika. Indianina avy any Karaiba no nipetraka tao. Ny toeram-ponenana eorôpeana voalohany tao amin' ny nosy dia noforonin' ny Espaniôla, avy eo ny Frantsay sy ny Anglisy.[1] Ela teo ambany fifehezan' ny Britanika i Grenada, nefa nahaleo tena nanomboka tamin' ny taona 1974. Mpikambana ao amin' ny Commonwealth izy io

Fanamarihana[hanova | hanova ny fango]

  1. Ny tantaran'i Grenada.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Amerika: Antigoa sy Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bôlivia - Brezila - Dôminika - Ekoadôra - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Haitỳ - Hôndorasy - Jamaîka - Kanada - Kioba - Kôlômbia - Kôsta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panama - Paragoay - Però - Pôrtô Rikô - Repoblika Dôminikana - Salvadôro - Santa Losia - Santa Kity sy Nevisy - Santa-Vinsanta-sy-Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite sy Tôbagô -Venezoela

Kôntinenta eto an-tany