Tamba-nosy

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Tangoro-nosy)

Ny tamba-nosy na tangoro-nosy dia nosy maromaro mifanakaiky tanteraka ka toa mitambatambatra mihitsy aza.

Karazana tamba-nosy[hanova | hanova ny fango]

Ny tamba-nosy dia hita eny anivon-dranomasina; amin'ny ankapobeny, mety nosy kely misy manodidina nosy ngezangeza kokoa ny tamba-nosy. Ohatra, misy nosy 700 izao manodidina an'i Ekôsy. Avy amin'ny volokano (na afotroa) ny ankabeazan'ny tamba-nosy, na hotspot no manao azy, na zone de subduction. Ny tamba-nosy ngeza indrindra fantatsika izao dia i Indonezia, i Japana, i Filipina, i Zelandy Vao ary ny Fanjakana Mitambatra (United Kingdom).