Barbady

Avy amin'i Wikipedia
Sainan' i Barbady
Toerana misy an' i Barbady
Sarin-tanin' i Barbady

I Barbady na Barbado dia firenena ao Amerika Afovoany, anisan' ireo nosy Antilia sady manana morontsiraka ao amin' ny Ranomasimbe Atlantika ao atsinanana sy ao amin' ny Ranomasina Karaiba ao andrefanna. Ny renivohiny dia i Bridgetown. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 431 km2 ny velarantaniny ary miisa 274 200 ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2010. Ny faritr'ora dia -4.

Iva dia iva ny vohon-tanin' ity firenena ity eny amorontsiraka fa be lohasaha kosa ny any afovoan-tany. Voahodidna haran-dranomasina ilay nosy. Toetanin-jana-pehin-tany antonony ny toetany any vokatry ny fisian' ny rivotra Alizay.

Ny 80 %n' ny mponina ao Barbady dia manam-piaviana afrikana. Kristiana ny ankamaroan' ny mponina.

Niompana amin' ny famokarana siramamy sy toaka hatry ny ela ny toekaren' i Barbady, nefa ankehitriny dia mandroso ny fizahàn-tany izay iankinan' izany toekarena izany.

Zanatany britanika taloha i Barbady izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin' ny taona 1966. Mpikambana ao amin' ny Commonwealth izy. Ny mpanjakan' i Angletera no filoham-panjakany izay soloan' ny governera jeneraly tena any.

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Amerika: Antigoa sy Barboda - Arjentina - Bahamasy - Barbady - Belizy - Bôlivia - Brezila - Dôminika - Ekoadôra - Etazonia - Goatemala - Goiana - Grenady - Haity -Hôndorasy - Jamaîka - Kanada - Kioba - Kôlômbia - Kôsta Rika - Meksika - Nikaragoa - Orogoay - Panama - Paragoay - Però - Pôrtô Rikô - Repoblika Dôminikana - Salvadôro - Santa Losia - Santa Kity sy Nevisy - Santa-Vinsanta-sy-Grenadina - Silia - Sorinama - Trinite sy Tôbagô -Venezoela

Kôntinenta eto an-tany

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.