Espaina
| Reino de España ((es)) | |||||
| ((es)) | |||||
| Fanjakan'i Espaina ((mg)) | |||||
|
|||||
| Teny filamatra : Plus Ultra | |||||
| Teny ofisialy | Espaniola | ||||
| Renivohitra | Madrid 40°26′N 3°42′W / 40.433°N 3.700°W |
||||
| Tanàna ngeza indrindra | Madrid | ||||
| Fitondrana sy governemanta - mpanjaka - filoha ny Governemanta espaniola |
Fanjakana Juan Carlos I José Luis Rodríguez Zapatero |
||||
| Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 51 504 782 km² 1,04% |
||||
| Isam-ponina - Tontaliny (2008) - hakitroka |
faha 29 46.157.822 mpo. 89,38 mpo./km² {{{1}}} |
||||
| Anaran'ny mponina | Espaniola | ||||
| IDH (2005) | (mitombo) 0,949 (ambony) 13 | ||||
| Sandam-bola | Euro (EUR) |
||||
| Fiozao ny ora | UTC +1: (CET); ; UTC+2: (CEST) |
||||
| Hiram-pirenena | Marcha Real | ||||
| Valan-tsehatra internet | |||||
| Antso an-tariby |
+34 |
||||
I Espaina dia firenena eoropeana ao amin’ny tanjona Iberika, ao atsimon’i Eoropa. Ny renivohiny dia i Madrid, ary ireo firenena manodidina azy dia i Frantsa ary Andôra any avaratra ary Pôrtogaly any andrefana.
I Espaina no firenena lehibe indrindra ary be mponina indrindra ao amin’ny tanjona Iberika. Tamin’ny taona 2009, 46 tapitrisa mponina no isam-poniny izany hoe firenena faha-29 be mponina indrindra eo anivon’izao tontolo izao, hery mpanjanaka faharoa antitra indrindra aorian’i Pôrtogaly. Ary ny ny fiteniny, noho izy hery mpanjanaka taloha, dia anisan’ny fiteny be mpiteny indrindra eto an-tany.
Votoatiny
Tantara[hanova | hanova ny fango]
Ny Ibera no mponina tao Espaina tamin’ny taonarivo faharoa TJK. Ary tamin’ny taonjato fahadimy, dia tonga ny seltibera, mponina indô-eoropeanina izay nipetraka tao Espaina hatramin’ny taonjato voalohany taorian’i JK. Mipetraka teo amin’ny amorontsiraka mediteraneanina ireo mponina fenisianina, grika ary kartajinianina nanomboka tamin’ny taonjato fahasivy talohan’i Jesoa Kristy.
Nanomboka tamin’ny taonjato faharoa TJK, nanjaka tao Espaina ny romana avy any Italia ary nentiny tao ny fiteniny, ny fombany ary ny lalàny. Ho faritany romana io toerana io mandritry ny fitonjato taona.
Taorian’ny faharesen’ny romana tamin’ny taonjato fahadimy, nonina tao amin’ny tanjona Iberika ireo mponina jermanika : Soeva, Vandalo ary Wisigoth. Nifindra tany Afrika Avaratra ny Vandalo tamin’ny taonjato fahatelo. Ny Wisigoth no tena nanjaka tao Espaina hatramin’ny fahatongavan’ny mponina mozilmana tamin’ny taonjato fahafito
Nanomboka tamin’ny taonjato fahaefito (fanjavonan’ny Wisigoth) hatramin’ny taonjato faha 16, nanjaka tao Espaina ny mponina mozilmana (Maoro, Mozarabo), teo afovoany ary tany atsimon’i Espaina indrindra indrindra.
Tamin’ny taona 756, nahaleotena ny Espaina mozilmana, nandritry ny andro nanjakan’ny Omeiadin’i Cordoba. Nivadika ho kalifà ny Espaina mozilmana. Nihakely ny fahefan’ilay kalifà lehibe tamin’ny taonjato faha-iraika ambin’ny folo, ka voazarazara fanjakana (taifa) madinika miisa dimy ambin’ny roapolo. Nararaotin’ireo fanjakana espaniola io fizarazarana io ary io no nahafahan’ny espaniola nanomboka ary namarana ny Reconquista, tapitra tamin’ny 1492 ; tamin’io taona io ihany, hita ny kaontinanta amerikana. Tapitra tamin’ny taona 1512 ny fanaovana an’i Espaina ho fanjakana iray, ary tamin’io fotoana io, nandefasana miaramila (Conquistador) maro dia maro tany Amerika handresena ireo fanjakana teratany (Azteka, Inka) ary hanorenana zanatany lehibe (Espaina Vao, Kastila Vao, Granada Vao).
Jeografia[hanova | hanova ny fango]
I Espaina dia firenena manana amorontsiraka eo amin’ny ranomasina Mediteranea ary eo amin’ny Ranomasimbe Atlantika. Ao atsimon’i Eoropa no misy azy, ao amin’ny tanjona Iberika. Mizara sisintany amin’i Pôrtogaly, Frantsa, Andôra; Fanjakana Mitambatra ary Maroka i Espaina. Ireo tany espaniola ao ivelan’i Espaina dia i Ceuta ary Melilla.
Mponina[hanova | hanova ny fango]
Politika[hanova | hanova ny fango]
| I Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i : Spain |