Bareina

Avy amin'i Wikipedia
Aller à la navigation Aller à la recherche
Sainan' i Bareina
Saritanin' i Bareina
Sarin-tanin' i Bareina

I Bareina dia firenena ao Atsinanana Akaiky, ao amin’ ny Hoala Arabo-Persika, any Azia. Ny renivohiny dia i Manama. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 765,3 km2 ny velaran-taniny, ary niisa 1 234 571 ny mponina ao aminy araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2010. Ny faritr' ora dia +3. I Bareina dia tangoro-nosy ahitana nosy miisa 33; ny ampolony iray amin’ ireo nosy ireo dia tsy misy mponina.

Maina ny toetany any: eo amin’ ny 25 °C eo ny sala-maripana isan-taona any, nefa mety mihoatra ny 45 °C izany. Ny nosy lehibe indrindra, izay antsoina hoe Bareina (Bahrein), dia mifampitohy amin’ i Arabia Saodita amin’ ny alalan’ ny tetezana-fefiloha (atao hoe "tetezan' ny fihavanana"). Firenena kely velerana i Bareina ka izy no firenena arabo makitroka mponina indrindra (mihoatra ny 1 000/km² ny mponina). Ny Arabo no maro anisa ao nefa ahitana mpitady ravinahitra maro koa ao (40 %n’ ny mponina) avy any amin’ ny Zana-Kôntinenta Indiana sy avy any Azia Atsinanana ny ankabetsahan’ izy ireo. Miozolmana ny ankamaran’ ny mponina any Bareina. Ny fiteny arabo no fiteny ôfisialy any.

Ny solitany sy ny etona voajanahary no tena miatoka ny toekaren’ i Bareina. Maro ireo banky miorina ao amin’ io firenena io. Ambony dia ambony ny fari-piainan’ ny mponina any Bareina.

Fanjakana mahaleo tena niala avy tamin’ i Fanjakana Mitambatra i Bareina nanomboka tamin’ ny taona 1971. Atao hoe emira ny mpitondra ilay firenena, ka izany no iatsoana azy hoe "emirata".

Jereo koa[hanova | hanova ny fango]

Firenena ao Azia:

Afganistàna - Arabia Saodita - Armenia - Azerbaijàna - Bangladesy - Bareina - Botàna - Broney - Emirata Arabo Mitambatra - Filipina - Iemena - India - Indônezia - Iràka - Iràna - Israely - Japàna - Jôrdania - Kambôdia - Katara - Kazakstàna - Kirgizistàna - Kôety - Kôrea Atsimo - Kôrea Avaratra - Laôsy - Libàna - Maldiva - Malezia - Mianmara - Môngôlia - Nepaly - Ômàna - Ozbekistàna - Pakistàna - Palestina (fanjakana) - Rosia - Sina - Singaporo - Siria - Srilanka - Tailandy - Taioàna - Tajikistàna - Torkia - Torkmenistàna - Vietnamy.

Kôntinenta eto an-tany

Nuvola apps ksig.png
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.