Emirata

Avy amin'i Wikipedia

Ny emirata na emirà dia fari-tany ara-pôlitika izay fehezin' ny emira, amin' ny ankapobeny, ao amin' ny Tontolo Mozilmana. Ny emirata dia mety hanana ny satan' ny fanjakana mahaleo tena, faritany ao amin' ny fanjakana mananana ny fiandrianany, na fivondronam-panjakana sahala an' ny Emirata Arabo Mitambatra izay mampiray emirata fito. Amin' ny teny arabo ny elirata dia atao hoe إمارة / imārah.

Amin' ny lafiny ara-tantara, ny emirata dia vondrona ara-pôlitika sy ara-pivavahana kely kokoa noho ny kalifata. Azo heverina ho mitovy amin' ny printsipaotea (tany tapahin' ny andriana na pritsy) amin' ny tontolo tsy mozilmana izany.

I Kôety na i Katara na ny Emiratan' i Dubai no emirata amin' izao fotoana izao. Emirata i Bareina hatramin' ny 14 Febroary 2002, rehefa nanapa-kevitra ny hanova ny anaram-boninahitra ho "Mpanjakan' i Bareina" ny mpitondra ankehitriny, ary lasa fanjakàm-panjaka ilay firenena.

Ny Emirat Islamikan' i Afganistàna, izay naorin' ny Talibàna tamin' ny taona 1996, dia tsy neken' ny firenena afa-tsy telo ihany: i Pakistàna sy i Arabia Saodita ary ny Emirata Arabo Mitambatra. Very ny fahefan' io emirata io tamin' ny taona 2001, nafe nanohy ny asany tany an-tsesitany, ary nahazo izany fahefana izany indray tamin' ny volana Aogositra 2021. Io no hany emirata tsy misy emira.

Maro amin' ireo emirata mahaleo tena eran' izao tontolo izao taloha no tafiditra anaty fanjakana lehibe kokoa ankehitriny, araka ny hita any Nizerià.